Manana drafitra vaovao ho fandaminana ny raharaham-pirenena sy hamahana ny krizy ny ankolafy telo.
Araka ny fantatra ary dia efa nampahafantatra izany ny sehatra iraisam-pirenena, efa tamin’ny faran’ny herinandro teo, araka ny re no vonona izany drafitra izany. Raha fintinina ny voalaza ao dia mitaky ny hanovana ny endrik’ireo rafitra efa misy amin’izao fotoana tahaka ny CST sy ny CT ary ny governemanta ny avy ao amin’ny mpanohitra ary mitaky ihany koa ny hametrahana ireo rafitra nifanekena kanefa tsy mbola najoro, tahaka ny CNR na ny komitim-pirenena ho amin’ny fampihavanana, izay ny profesora Zafy Albert no filohany raha araka ny fifanarahan’i Maputo sy Addis Abeba.
Velom-panontaniana noho izay fihetsika izany ny rehetra hoe : paik’ady politika ihany ve izany taorian’ny nahalany ny lalàmpanorenana, sa efa tena manaiky ny hiditra ao amin’ny fitondrana tetezamita ny Ankolafy Telo ? Tamin’ny herinandro lasa iny mantsy dia maro ihany ny vaovao nifamezivezy teto an-drenivohitra izay nahafantarana fa manaiky ny hiditra ao amin’ny tetezamita ny sasany amin’ireo mpanohitra, saingy mbola nanjavozavo ilay resaka. Ankehitriny kosa anefa hita fa tsy mandà velively ny hiditra ao anatin’ny rafitra tetezamita ireo Ankolafy Telo, saingy nametraka fepetra maro. Anisan’izany ny fanaovana ny famotsoran-keloka faobe tsy misy fanavahana na fanilihana, ny famelana ireo filoha teo aloha hody an-kalalahana eto an-tanindrazana. Ny ao amin’ny FAT anefa dia efa hentitra ny fanambarana, fa izay tapaka nandritra ny fihaonambem-pirenena ihany no azo tanterahana, eo amin’ny resaka famotsoran-keloka, dia ilay hoe famotsoran-keloka misy fanavahana ho an’ny vanim-potoana 2002 ka hatramin’ny 2008.
Mbola hisy moa ny hetsika goavana hotanterahan’ny ankolafy 3 amin’ity herinandro ity ka ho hita eo ny fivoaran’ny toe-draharaha, satria hita ho mafampana indray ankehitriny ny rivotra politika fa nilaza ny samy ho nahazo hery vaovao na ny mpitondra na ny mpanohitra. Ny sehatra iraisam-pirenena moa dia mbola mitaky hatrany ny hiverenan’ny fifampidinihana eo amin’ireo Ankolafy efatra, sy izay hery politika hafa ho amin’ny fananganana ny tetezamita iaraha-mitantana, na farafaharatsiny tetezamita tsy mitanila. Araka ny tombantombana dia eto Madagasikra no hanatanterahana ny fihaonan’ny filohan’ireo Ankolafy efatra, ka tsy maintsy hisy ny miaramila sy tafika avy any ivelany hiantoka ny fandriampahalemana amin’izany. Ny tafiky ny SADC moa no voalaza fa ho avy eto. Mijanona ho tombana aloha izany hatramin’izao fa ho hita eo ny tena fitrangany satria maromaro ihany ny tampoka sy ny tsy ampoizina amin’ny raharaha politika.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.