Na dia nogiazana aza ny kianjan’ny Magro, roa izao no efa nakaton’ny FAT tamin’ity taona 2010 ity dia ny eny Ankorondrano sy Behoririka dia mahita toerana hifampizarana vaovao sy hifanentana mandrakariva ireo mpanara-dia ny ankolafy Telo.
Nanomboka omaly dia eny amin’ny Villa Elisabeth Ivandry no ihaonan’izy ireo. Anisan’ireo nandaha-teny ny filohan’ny Teza, Rakotoamboa Jean Louis izay nanamafy ny hevitry ny SADC hanamafy ny saziny ho an’i Madagasikara. Noho ny fizirizirian’i Andry Rajoelina, hoy Rakotoamboa Jean Louis dia mitombo isan’andro ireo mankahala azy. Tsy tapitra teny amin’ny BANI ny tantara, ary tsy mifampiresaka amin’ny jiolahimboto isika satria masina ny fitakiantsika. Malaza ratsy kosa isika izao, hoy i Tabera Randriamanantsoa. Fantatr’izao tontolo izao ny didy jadona, ny fakana an-keriny ary ny fanaovana takalon’aina miseho eto Madagasikara. Hamotika ny firenentsika ireo, hoy ity solontenan’ny ankolafy Zafy Albert ity. Ankoatra izay dia nahitsy ny tenin’i Tabera nilaza fa manjaka ny “milisy”. Tetsy andanin’izany dia nambaran-dRaveloson Constant fa miaraka amin’ny fahendrena sy ny fanahy ny fampihavanana.
Fanontaniana no napetrany raha toa ka fahendrena ny zava-misy ankehitriny toy ny fandefasana milisy eny Ivato, ny famonoana ireo manamboninahitra izay tsy naninona nianga teny amin’ny BANI saingy maratra mafy miady amin’ny fahafatesana kosa rehefa tonga eny am-ponja, ny fanjavonan’ireo mpitarika telo mirahalahy, ny famerenana ny jadona izay niainan’i Afrika tany amin’ny taona 70 ka efa nilaozany no averin’ny FAT eto amintsika amin’izao taona 2010 ? “Tsy miova ny tarigetra”, hoy ihany Raveloson Constant. Anisan’izany ny manafoana ny vokatry ny referendaoma amin’ny fisehoana sy fanehoan-kevitra am-pahendrena. Efa mahatsapa ireo naman’ny FAT sasany toy ny KMF/CNOE, hoy izy, fa tsy mety iny zavatra natao ny 17 novambra iny fa ny CENI sisa no mikiribiby mandamina soratra sy tarehimarika. Araka ny fantatra dia hatramin’ny sabotsy no hijanona ao amin’ny Villa Elisabeth ny Ankolafy Telo. Tsy haharitra ela eny Ivandry ireo mpitolona, araka izany. Fandaminana sy fakana bahana ihany no hatao eny, raha ny fanazavana.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.