Tamin’iny herinandro iny dia teny amin’ny tokotany malalaky ny Villa Elisabeth no nifamotoana sy mifampizara vaovao ny Ankolafy Telo sy ireo mpiara-dia aminy. Araka ny fanazavan’i Constant Raveloson dia tsy voatohan’ny FAT amin’ny hevitra intsony ny mpanohitra ka fisamborana sy fanagadrana sisa no fomba hampanginana azy. Tsy manana hevitra sy teny alahatra intsony koa ny FAT ka dia lakrimozena sy basy no ampitenenina hamotehana ireo hetsika toy ny an’ny mpiasan’ny fahasalamana sy ny fampianarana ambony, hoy ihany ity mpitari-tolona. “Ny tolom-bahoaka ihany no lakile ary tompon’ny farany. Izay tsy manana izany dia ho menatra manoloana ny tantara”, hoy Raveloson Constant. Tetsy andanin’izany dia nambaran-dRtoa Ravololomanana Lalatiana fa “ny fandresena dia midika ny fialan-dRajoelina, ny fivoahan’ireo gadra politika ary ny fodian’ireo filoha sesitany”.
Nitondra ny hafatry ny mpitarika ny Ankolafy Ravalomanana, Fetison Rakoto Andrianirina koa ny tenany dia ny hoe : “mitohy ny tolona ary tsy mifampiresaka amin’i Andry Rajoelina.” Maka aina sy faka ihany no ataon’ny ankolafy Telo etsy amin’ny Villa Elisabeta fa rehefa azo izany dia roso indray ny tolona. Nohamafisiny anefa fa tsy hanao sorona ny vahoaka izy ireo satria tanjona ny hamerenana ny soatoavin’ny Fihavanana. Nambaran’ny depiote Rakotomanjato Rodin kosa fa dia ho henjana ny lalao amin’ity herinandro ity. Nanentana ireo mpiara-dia ny tenany hanamafy sy hiantso ireo namana. “Tsy maintsy mivoaka ireo mpitari-tolona nofonjaina ireo”, hoy ihany ity solombavambahoaka avy any amin’ny faritra Itasy ity.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.