Politique

Ankolafy Telo Ho fotoambe anio


  • Alakamisy 23 Desambra 2010

“Tsy hisy dikany avokoa fa efa maty izay zavatra rehetra hanaraka eo satria miankina amin’ilay lalàmpanorenana nolanian’ny FAT teo”, hoy ny solontenan’ny UdemPro tetsy amin’ny kianjan’ny Magro omaly.

Manoloana ny resabe mandeha mikasika ity rantsa-mangaikan’ny ankolafy Ravalomanana ity dia nanambara ny solontenany, fa tsy misy ny palitao hanaovana ka noho izany dia tsy misy azo havadika, hoy ihany izy. Tetsy andanin’izany koa dia mazava ny tenin’ny solombavambahoaka Mamitiana Ravelonanosy (Ankazobe). “Tsy hiditra ao anatin’io rafitra io izany ireo mpitarika”, hoy izy. Niantso ny fianakaviambe iraisam-pirenena koa ny tenany mba hanaovana an’i Madagasikara toa ireo firenena hafa, izany hoe rehefa tsy manaiky hilamina sy halamina ny Malagasy dia mila handefasana tafika avy any ivelany. Niantso ireo mpiara-dia aminy ity depiote ity mba hanatevin-daharana ny tolona.

Tsy vitsy ireo mpiara-dia amin’ny Ankolafy Telo no mbola voatazona any am-ponja, araka ny fanazavana. Manomboka amin’ireo mpitari-tolona ka hatramin’ireo mpiambina dia any daholo. Manoloana izany indrindra dia tokony hohamafisina ny tolona, hoy izy. Araka ny fampitam-baovao teny amin’ny Magro Behoririka omaly dia ho fotoam-be ny anio 23 desambra. Tsy fahanginana politika ‘trève politique’ akory, hoy ny solombavambahoaka Leriva Manahirana (Brickaville) fa noho ny Noely. Araka ny fantatra manko dia hitsahatra kely ny fotoana etsy amin’ny Magro manomboka ny 24 ka hatramin’ny 26 desambra ho avy izao. Hiverina kosa ny hetsika manomboka ny 27 desambra. 

Nangonin’i Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

Hijery ny tohiny
FTT