Politique

Ankolafy Telo Hanao rodobe eny Alarobia rahampitso


  • Talata 07 Desambra 2010

Na ny Magro Behoririka, na ny Villa Elisabeth Ivandry dia samy nahitana hetsiky ny mpanohitra ny Fahefana Avon’ny Tetezamita avokoa omaly alatsinainy.

Mahalana no ahitana ny toy izany, izay toa maneho fa mihamahazo aina ary misandrahaka ny hetsik’izy ireo. Andaniny dia fisantarana ny fiverenana ao Behoririka ny an’ny Ankolafy Telo io omaly io, taorian’ny nibodoan’ny Emmo-Reg io toerana io ka tsy namelany ireo mpiara-dia amin’ny Ankolafy Telo handingana na dia iray metatra monja aza ny Kianjan’ny Finoana nanomboka ny 13 novambra 2010. Ankilany koa anefa dia fiomanana amin’ny hetsika lehibe hataon’ny mpanohitra eny amin’ny Kianja monisipaly Alarobia rahampitso 08 desambra, araka ny fampilazana nanomboka nandeha hatry ny omaly, ihany koa io. Kaontin’ny efa manamasaka izany rodobe izany rahateo ny hetsika teny amin’ny Villa Elisabeth omaly, izay miditra amin’ny herinandro fahatelo ihany koa, na dia vonjimaika ihany aza no niheveran’ny Ankolafy Telo hifamoriana teny ho fakana bahana taorian’ny nitazonan’ny FAT ka nampidirany am-ponja ireo mpitarika telo, dia i Fetison Rakoto Andrianirina sy Zafilahy Stanislas avy amin’ny Ankolafy Ravalomanana ary ny pastera Tsarahame Edouard avy amin’ny ankolafy Zafy. Tazomina am-ponja ao Ambatolampy moa izy ireo amin’izao fotoana izao rehefa nafindrafindra toerana in-dimy be izao hatramin’ny 12 novambra no ho nankaty.

Malagasy leo fitaka sy liam-pahafahana no hifamotoana eny Alarobia rahampitso, araka ny fanentanana hita hatry ny omaly. Mahatsapa izy ireo fa latsaka anaty hantsana tanteraka i Madagasikara, ka manana adidy hamaha ny olana ny tsirairay, hanavotra ny firenena ka mila fiaraha-mientana. Nanao fanamby izy ireo ny hameno ny Kianjan’Alarobia amin’io 08 desambra 2010 io, hanaporofoan’izy ireo eo anatrehan’izao tontolo izao fa misy vahoaka maro an’isa mijoro eto manohitra izao zava-misy eto amin’ny firenena izao. Marihina fa efa nampiasa ity toerana ity ny Ankolafy Telo ny 28 aprily 2010, dia izao hiverina eny izao indray na teo aza izany ny filazan’i Camille Vital, omaly teny Ambohidahy, fa dia mitsahatra avokoa aloha ny famoriam-bahoaka ara-politika hahafahana miditra any amin’ny Repoblika faha-4 (?).
 
Ankoatra ity hetsika rahampitso eny Alarobia ity, dia manomana hetsika goavana ihany koa ny Tiako i Madagasikara sy ny ankolafy Ravalomanana amin’ity herinandro ity. Tsy ny eto an-drenivohitra ihany fa ny any amin’ny Faritra ihany koa. Hitsingerina ny 12 desambra ho avy io mantsy ny faha-61 taona nahaterahan’ny filoha Marc Ravalomanana. Tsy havelan’izy ireo handalo fotsiny izany, na dia sesitany any Afrika Atsimo any aza i Dada, fa dia homarihina amin’ny fomba miavaka, raha ny feo re avy any Antsirabe, Ambatondrazaka, Toamasina, Antsiranana sy ny maro hafa. Voaresaka ary nasian’ny depiote isany Mamitiana Ravelonanosy (Ankazobe) sy Leriva Manahirana (Brickaville) tsindrim-peo manokana izany omaly tao Behoririka, ka nampiomanan’izy ireo ny mpiara-dia aminy fa hitohy ao Behoririka ny hetsik’izy ireo amin’ity herinandro ity.
 
Nangonin’i Jean D.
 
Sary : Hetsiky ny Ankolafy Telo tao amin’ny Kianjan’Alarobia ny 28 aprily 2010

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT