Politique

Ankolafy Ravalomanana Tsy manadino ny gadra politika


  • Alakamisy 06 Janoary 2011

Nahatsiaro ireo gadra politika ny Ankolafy Ravalomanana noho ny fahatongavan’ny noely sy ny taom-baovao ka naneho firaisankina tamin’izy ireo tamin’ny alàlan’ny fampaherezana sy ny fanolorana fanomezana ho azy ireo ny 30 desambra 2010 sy ny 04 janoary 2010.

Gadra politika miisa valopolo mahery, ao amin’ny Fonjan’Antanimora sy Tsiafahy, no nahazo tombontsoa tamin’izany. Nanolotra ny fanomezana tamin’ny anaran’ny Ankolafy sy ny Filoha Ravalomanana, ny sekretera jeneralin’ny antoko Tiako I Madagasikara, Mamy Rakotoarivelo sy ny Rakotoarison Yves Aimé. Notsipihin’izy ireo tamin’izany fa tsy mitsahatra ny mitaky ny famoahana ireo gadra politika izay voatazona am-ponja tsy fidiny noho ny fitiavan-tanindrazana ny Ankolafy Ravalomanana ary tsy manadino azy ireo velively. Naneho fisaorana tamin’ny anaran’ireo gadra politika ny Filohan’ny Fikambanan’ny Mahery Fo 2009, Rasoloarimanana Jean Louis ary dia miantso mandrakariva ny fanohanana avy amin’ny olom-pirenena tsirairay mba hanamaivana ny vesatra mahazo ireto gadra politika izay raim-pianakaviana mamelom-bady aman-janaka ny ankamaroany ary misy koa ireo tsy manana havana mikarakara mihitsy. Niara-nifarimbona nanatanteraka izao hetsika izao moa ny mpikambana avy ao amin’ny Ankolafy Ravalomanana, ny Antoko Tiako i Madagasikara ary ireo namana malala-tanana avy any Andilambato.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT