Politique

Ankolafy Ravalomanana “Tsy baikoan-dRajoelina izahay”


  • Alatsinainy 19 Novambra 2012

Raha izao no mitohy dia ady an-trano no hiseho eto amintsika, hoy ny Rév Andrianalijaona Andriamanampy na Satrobory izay nanamarika fa mila mivavaka sy mihavana ny Malagasy satria efa tena sahirana ny vahoaka.

 Izay mihetsika eto dia any Antanimora, izay no zava-misy eto amintsika, hoy ihany i Satrobory. Nambarany ihany koa fa tsy misy zavatra vanona eto raha tsy tonga eto ny filoha Marc Ravalomanana. “Tsy matahotra fifidianana fa manana olona manerana ny Nosy ny ankolafy Ravalomanana”, hoy kosa i Donazy, mpikambana eo anivon’ny Kongresy avy any Atsimo Atsinanana. Tsy atao biby fampitahorana ny fifidianana hoy izy ka aleo atao mazava tsara ny fitsipi-dalao. Fifidianana malalaka, mangarahara ary eken’ny rehetra no tanjona ka matahotra io fifidianana voasoritra ao amin’ny sori-dalana io ny FAT, hoy ihany ny CT Donazy. Fantany manko, hoy ihany izy fa tsy ho lany ry zareo ka mamboly korontana amin’izay tsy hisy fifidianana azo antoka sy eken’ny rehetra eto. Nambaran’ity CT ihany fa dia korontana volena io olana any Atsimo io.

Manoloana izany ary dia nampitandrina ireo mikasa hanao amboletra amin’io fifidianana io izy ary dia nohamafisiny ihany koa fa tsy azon’ny ankolafy leferina ny tsy hanatanterahana ny andininy faha-20 ao amin’ny sori-dalana, tsy iadiam-barotra ihany koa io, hoy ihany izy. Ny tanjona ny handaniana ny filoha teo aloha hahazoany manohy ny ezaka efa vita hatrizay. Tetsy andanin’izay dia nahitsy koa ny tenin’ny mpikambana ao amin’ny Kongresy, Randriamamiarizafy Ignace fa izay milaza ny marina eto no gadraina ary rehefa misy zavatra tsy mandeha na tsy mety dia ny filoha Ravalomanana no fototr’izay. Ankoatra izay dia nambarany ihany koa fa lasa Air Maty ilay Air Mad satria ny fiaramanidin’ny kompania Air France no misolo vaika rehefa simba ny fiaramanidin’ity kompaniam-pirenena tamin’ity herinandro ity.

Nanamafy i Manandafy Rakotonirina fa tsy handany ny tetibola 2013 raha toa ka tsy hisy fanamboarana ny andininy sasany ao. “Tsy baikoin-dRajoelina izahay”, hoy izy ary nambarany moa fa vonona hanaisotra ny minisitry ny vola koa ny eo anivon’ny CST manoloana ny “fiavonavonany”. Tsy hiray tsikombakomba koa izahay, hoy ihany i Manandafy Rakotonirina izay nanoritra fa ho avy Ravalomanana, ho tonga izy, ka ny mahamaika dia ny hanarenana ny very sy ny simba, eo koa ny demokrasia. 

 
Soa
 

Hevitry ny Tia Tanindrazana

Tsy tokony horebireben’ny fampiadiana ny ankolafin’i Dada. Efa misy manely tsaho mihitsy mantsy eo anivon’ity ankolafy ity hanaparitahana ny firaisankina mba handresena an’i Dada. Tokony hifampatoky ny samy mpitarika voalohany, ary ireo mpitarika sy ireo vahoaka entina.
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libĂ©ration
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovĂ na ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT