Politique

Ankolafy Ravalomanana Toliara Nanampy ireo voafonja noho ny raharaha Soatalily


  • Alatsinainy 13 Desambra 2010

Tsy navelan’ny Ankolafy Ravalomanana sy ny Tiako i Madagasikara handalo fotsiny ny andron’ny 12 desambra 2010, fa niara-nahatsiaro manokana ny tsingerintaona faha-61 nahaterahan’ny filoha Marc Ravalomanana, mpanorina ny antoko rahateo, izy ireo.

Fiaraha-miombom-bavaka no niarahan’izy ireo nisantatra ny andro omaly. Tetsy ankilan’izay dia natokan’izy ireo hanaovana asa sosialy ihany koa ny andron’ny 12 desambra io. Nisy àry ny fitia tsy mba hetra nentin’izy ireo hanampiana azy fito mianaka, dia Rabeony Mandridake, Sazalahy Tsianihy, Tambabelo Mandaso dit Marin, Torimana Evaharane, Rafilo Jean Filista, Lantera Patita ary Bonnaure Sazalahy, izay voatana am-ponja efa ho efa-bolana izao, noho ny raharaha Soatalily, izay tsiahivina ihany fa nisy andian’olona namotika sy nandroba ny fitaovana tao ny 27 aogositra 2010. Nisy delegasiona nitsidika sady nanatitra ireo fanampiana voaangona ho an’ireo voafonja ireo. Vola telo hetsy ariary miampy fotsimbary roa gony sy menaka fito litatra no natolotra azy ireo tamin’izany.

Araka ny fantatra dia salama tsara ary ambony ny herintsain’izy fito mianaka voatana am-ponja ireo. Na izany aza mitaky ny hanafainganana ny raharaham-pitsarana azy ireo ny raiamandreny sy ny mpanao politika ao Toliara. Tsy misy rahateo antony hitazonana azy ireo, araka ny nambaran’i Masimana Manantsoa, ministry ny atitany teo aloha. Noho ny Pr Elimberaza Mandridake tsy mitolo-batana nefa tsy mety voasambotra moa no hoe tsy mampikatona ny dosie mahavoatana azy fito mianaka ireto any am-ponja izao. Famoriam-bahoaka politika nataon’ny Pr Elimberaza Mandridake io 27 aogositra 2010 mantsy no nisy nanararaotra ka nahasimba ny fitaovan’ny radio Soatalily, izay masoivohon’ny radio nasionaly malagasy ao Toliara.

Fa taorian’io fanaterana fanampiana tany am-ponja io dia nifamotoana tao Amborogony Atsinanana ireo mpikatroka ao amin’ny Tiako I Madagasikara sy ny Ankolafy Ravalomanana nifampizara hafaliana tamin’izao tsingerin-taonan’ny filoha mpanorina ny antoko, dia ny filoha Marc Ravalomanana izao. Nisy ny malala-tanana iray tsy mitonona anarana, avy ao an-toerana, nanolotra omby iray ho nofon-kena mitam-pihavanana tamin’izany.
 
Nangonin’i Jean D.
 
Sary : Nitondra fanampiana ho azy ireto tany am-ponja ny Ankolafy Ravalomanana ny 12 desambra 2010.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT