Politique

Ankolafy Ravalomanana Toamasina “Tsy maintsy mody Dadanay”


  • Alakamisy 22 Novambra 2012

Nanao hetsika toy ny fanaony isaky ny sabotsy eo an-tokotanin’ny Magro Tanambao V Toamasina, ireo mpitolona eo anivon’ny ankolafy Ravalomanana sy ireo te haheno ny vaovao ampitain’ireo mpitariky ny ankolafy.

 Raha ny sabotsy teo dia niavaka ny hetsika, satria nandritra ny fihaonana dia ilay fihaonana tamin’ny mpanao gazety nataon’ny ankolafy Ravalomanana notarihan’ny filohan’ny kongresin’ny tetezamita Mamy Rakotoarivelo, no nohenoin’ireo tonga maro tonga niatrika izany, izay nilazan’ireo mpikatroka eo anivon’ny ankolafy ireto fa “aoka izay ny vandivandy sy ny ronono an-tavy ataon’ny FAT. Tsy misy lainga atao tsy hivoaka sy hiarihary izany, satria finoana no nitondrana ny tolona, ka olona mino izany tsy maintsy hahafantatra ny marina foana na ho ela na ho haingana”.

Nandritra ny hetsika koa no nanehoan’ireo fikambanana samy hafa eo anivon’ny ankolafy Ravalomanana Toamasina, ahitana ny fikambanan’ny tanora, fikambanan’ny be antitra, ny fikambanan’ny tsian’asa, ny fikambanana zanak’i Dada, ary ny fikambanan’olona tsotra manohana ny filoha Ravalomanana, ny fahavononan’izy ireo avy amin’ny fanomanana ny fiverenan’Atoa Marc Ravalomanana an-tanindrazana, izay nilazan’izy ireo niaraka fa “tsy maintsy mody Dadanay sy tsy maintsy ho kandida ary holanianay ihany koa. Izay tsy mahazaka izany no tokony hiala”, satria “nanaja ny sonia nataony ny filohanay ary ny tonga miaraka dia fanombohana fa ny asa miaraka manomboka izao no ho fahombiazana”, hoy hatrany ireto fikambanana ireto nilaza ny fahavononany sy miandry tsy ela ny fodian’Atoa Ravalomanana.

Rakoutou 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libĂ©ration
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovĂ na ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT