Politique

Ankolafy Ravalomanana Nisy ny fandaminana anatiny


  • Talata 30 Novambra 2010


Eo anatrehan’ny tsy fahafahan’i Fetison Rakoto Andrianirina mitarika ny delegasiona, noho ny antony tsy miankina aminy, dia misy ny fandaminana anatiny eo anivon’ny Ankolafy Ravalomanana, ka araka ny taratasy fanendrena nosoniavin’ny filoha Marc Ravalomanana sady filohan’ity Ankolafy ity, dia notendrena hiara-kitantana ny Ankolafy Ravalomanana manomboka ny 26 novambra teo i Mamy Rakotoarivelo, Manandafy Rakotonirina, Yves Aimé Rakotoarison ary Rolland Ravatomanga. Ry zareo ireo no mifandamina amin’ny fomba fiasany, araka ny voalazan’ny taratasy ihany. Tsy tongatonga ho azy ity fandaminana ity, na vonjimaika ihany aza, fa mifanojo indrindra amin’ny fahatongavan’ny iraky ny SADC manao tombana ny zava-misy eto Madagasikara, amin’ny famahana ny krizy, taorian’ny nandalovany farany teto ny volana aogositra 2010 nisian’ny fisantarana fampihaonana ireo mpanao politika teny Vontovorona, izay nokarakarain’ny CNOSC. Efa am-perinasa moa ity delegasiona Ankolafy Ravalomanana ity ary nandray anjara avy hatrany tamin’ny fihaonana niantsoan’ny iraky ny SADC azy teny amin’ny tranon’ny Firenena Mikambana eny Andraharo izy ireo omaly. 

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

Hijery ny tohiny
FTT