Na dia eo aza ny fampiasan-kery izay manosihosy ny fototra demokratika sy ny zon’olombelona izay ataon’ny fitondrana ankehitriny dia manamafy ny fahavononany hanohy ny fiaraha-midinika hijerena izay vahaolana hivoahana amin’ny krizy ny Ankolafy Ravalomanana ary manolotra soso-kevitra amin’ny fianakaviambe iraisam-pirenena.
Manaiky ny hirosoana amina fifidianana malalaka, mangarahara, demokratika, eken’ny rehetra ary tontosaina araka ny fenitra iraisam-pirenena ny ankolafy Ravalomanana. Fepetra efatra anefa no apetrany hahatomombana ny fizoran’izany fifidianana izany an-tsakany sy an-davany, dia ny fitoniana ara-tsosialy sy ara-politika izay midika ho fampiharana ny fanafoanan-tsazy faobe, ny famoahana ireo gadra politika rehetra na sivily na miaramila tsy ankanavaka, ny fampitsaharana avy hatrany ny fanenjehana sy ny ramatahora ary ny fanajana ny teny nomena toy ny filazan’ny filoha Ravalomanana fa tsy hiditra amin’ny tetezamita ny tenany sy ny filazan’i Andry Rajoelina ampahibemaso fa tsy hirotsaka amin’ny fifidianana filoham-pirenena izy, ny fiverenan’ny filoha Ravalomanana an-tanindrazana.
Eo koa ny tsy fomban’ny tafika na ny atsy na ny aroa, ny fisiana mpampandry tany vahiny raha toa ka miziriziry mampiasa hery famoretana ny fitondrana misy. Fepetra faharoa napetraky ny ankolafy Ravalomanana koa ny fametrahana ny marimaritra iraisana sy ny fitantanana ny raharaham-pirenena ao anatin’ny tetezamita iarahan’ny rehetra. Ao anatin’izany ny fametrahana ny governemanta firaisam-pirenena hametrahana ny demokrasia sy ny tany tan-dalàna ary ny famerenana mamaritra ireo izay ho mpikambana eo anivon’ireo andrim-panjakan’ny tetezamita toy ny CENI, CST, CT, CNR, HCT ary ny CMDN. Eo koa ny fihaonambem-pirenena. Fepetra fahatelo ny tantsoroka ara-teknika sy ara-bola avy amin’ny fianakaviambe iraisam-pirenena amin’ny fanatanterahana ny fifidianana izay tokony hanaraka ny fenitra iraisam-pirenena ary ny fepetra fahefatra dia ny fampiharana ny fametrahana ny biraom-pifandraisan’ny SADC eto amintsika izay ahitana ekipa teknika avy amin’ny firenena mikambana.
Miantso ny ankolafy rehetra sy ireo hery velona rehetra ny ankolafy Ravalomanana mba samy handray andraikitra ka mba hifaranan’ny krizy miaraka amin’ny faran’ny taona 2010. Momba ny fihaonan’ireo lehibena ankolafy moa, araka ny fanazavana avy tetsy amin’ny “Villa Elisabeth” dia nambaran’i Jean Marc, avy amin’ny Udem Pro fa dia hatao eto Madagasikara ny fihaonana.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.