Politique

Ankolafy Ravalomanana Mety hiala amin’ny andrim-panjakana


  • Alarobia 17 Oktobra 2012

Mbola samy miandry izay ho vokatry ny dian’ireo iraky ny Troika-SADC ny rehetra. Ho an’ny ankolafy Ravalomanana dia andrandrainy fatratra ny hamoahana ny daty hahafahan’ny filoha Marc Ravalomanana hiverina an-tanindrazana.

 Samy nanamafy tokoa manko na ireo miaramila, na i Leonardo Simao fa tsy misy antony hanakanana ny fodian’i Marc Ravalomanana eto, ary tsy misy afaka hanakana olom-pirenena iray hody an-tanindrazany. Manahy anefa ny ankolafy Ravalomanana, raha ny zavatra re teny an-kianja omaly, sao fihatsaram-belatsihiny fotsiny ihany izany teny rehetra izany. Hifarana rahampitso 18 oktobra ny 60 andro, fe-potoana nomen’ny SADC fa hanaovana ny tombana teknika hampodiana an’i Marc Ravalomanana. Ho an’ny mpikambana eo anivon’ny Kongresy, Rarison Hilarion dia tsotra sady hentitra ny resaka. «Matoa tonga eto ny SADC dia tokony hamoaka ny daty hiverenan-dRavalomanana. Raha tsy hanao izany izy ireo dia mandehana mody», hoy izy tetsy amin’ny Kianjan’ny Magro Behoririka omaly. Mandrahona ny hiala tanteraka ao anatin’izao fitondrana izao ity ankolafy ity raha tsy araka ny teny nifanaovana ny zavatra hitranga.

Araka ny fanazavan-dRarison Hilarion dia potika tanteraka ny firenena. Tsy fanovana no nataon’i Andry Rajoelina teto, hoy ity zanak’i Matsiatra Ambony fa fanimbana ka sarotra ny fanarenana. Hatreto anefa aloha dia tsy mahita olona manana ny olona afaka hanarina an’i Madagasikara ao anatin’ny 5 na 10 taona isika afa tsy i Marc Ravalomanana. Any amin-dRavalo ny lakile, hoy ihany izy. Araka ny fanazavany ihany dia ny fitondrana Andry Rajoelina no fitondrana ratsy indrindra teto amintsika sy maneran-tany. Mpanagadra olona.

Tsy mifidy na pastera na olon-tsotra na mpanao politika na miaramila na tantsaha na mpahay lalàna fa nogadrainy avokoa. Eo koa ny famonoana olona, ny halatra sy ny maro hafa tsy voatanisa. nomarihiny fa mijaly tanteraka ny vahoakan’i Fianarantsoa satria noho ny halatra dia miaina anaty delestazy isan-kariva ny any an-toerana amin’izao fotoana izao na dia manana fototra herinaratra hafa aza sy gropy koa. Ankoatra izay dia efa fito volana izao no tsy nahazo karama ireo mpiasa eo anivon’ny Kaominin’i Fianarantsoa Renivohitra, araka ny nambarany hatrany. Potika ihany koa ny lalam-pirenena faha-7 hatreo Camp Robin ka hatrany Ambalavao, ny tsy fandriampahalemana manginy fotsiny, ny mpitarika ny Sempama any an-toerana lasa sefo Cisco. Na eo aza anefa izany faharatsiana rehetra izany dia mangataka ny hirotsahan-dRajoelina amin’ny fifidianana ny tenany mba hitsaran’ny Malagasy azy. Fantatra manko, hoy ihany ny CT Hilarion fa tsy hahasahy hifaninana amin’ny filoha Marc Ravalomanana i Andry Rajoleina kanefa dia “tsy hamelantsika raha tsy hirotsaka izy dia ho hita eo”.

Soa 
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libĂ©ration
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovĂ na ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT