Politique

Ankolafy Ravalomanana Mahajanga Nohamafisina ny fehim-pihavanana


  • Alarobia 19 Martsa 2014

Nanatanteraka lanonana fifampiarahabana nahatratra ny taona 2014 tao amin’ny Foyer FJKM Mahajanga ny sabotsy teo ny ankolafy Ravalomanana any an-toerana notarihan’ny filohany ny Dr Randrianandrasana Patrice.

 Ny fanamafisana ny fehim-pihavanana amin’ireo mpiara-mitolona miandrandra ny fiverenan’ny filoha Marc Ravalomanana no hevi-dehibe novoizina tamin’io andro io, hoy izy, ary nifanarahana fa hitohy tsy hijanona ny tolona ho amin’izany. Niditra nivantana an-telefaonina tamin’io fihaonana io moa ny filoha Marc Ravalomanana, izay nandrisika ireo vahoaka amin’ny fanohanana ny filoham-pirenena mba ahafahana mamoaka ny vahoaka amin’ny fahasahiranana mianjady aminy.

«Mba ahafahana mampandroso ny firenena”, hoy izy, “dia tsy maintsy manaiky ny ara-dalàna isika». Nanotrona ny fihaonana ny mpikambana tao amin’ny Kongresin’ny tetezamita teo aloha Rarison Hilarion izay nanamafy ny fitakiana ny hamoahana ireo gadra politika rehetra mbola tavela any am-ponja sy hanokafana ireo haino aman-jery rehetra nakatona ary ny famerenana ny sesitany politika rehetra ihany koa.

Ntsoavina Evariste

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

  • TETIKASA
  • Talata 20 Oktobra 2026

"ÉLECTIONS-MAHASAKY"

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

Hijery ny tohiny
FTT