Politique

Ankolafy Ravalomanana - Mahajanga Miandry vahiny an’arivony avy any Sofia sy Betsiboka


  • Alarobia 24 Oktobra 2012

Tsy mihanona eo amin’ny sehatra politika fotsiny ihany fa mijery ny sosialim-bahoaka koa ireo mpitarika ao amin’ny ankolafy Ravalomanana eto Mahajanga Renivohitra, hoy ny mpitarika azy Randrianandrasana Patrice, mpikambana ao amin’ny Kongresin’ny tetezamita.

 Taorian’ny “Brochette party” nahitam-pahombiazana farany teo dia ny kolontsaina fampiadiana akoholahy izay efa mielipatrana manerana ny Nosy indray no hoentinay hamoriana ireo mpikambana ao amin’ny ankolafy sy ny mpiarabelpna ao Mahajanga tsy vakivolo, hoy izy. “Fifaninanam-paritanin’ny adin’akoholahy Boeny” no nataonay anaran’ny hetsika ary hanasana ny avy any Antsohihy, Maevatanana, Ambatoboeny, Marovoay ary Mampikony. An’arivony ny olona handrasana ho avy ao Mahajanga amin’izany ary efa tsara omana ny handraisana azy ireo.

Hitorajofo sy hitotorebika tokoa ny ao an-drenivohitry ny voninkazo ny 27 sy 28 oktobra hanatanterahana ny hetsika. Amboara lehibe no hatolotra ny sangany amin’ny fifaninanana ankoatra ny fanamby mahazatra amin’ity fifaninanana adin’akoholahy ity. Tsy hohadinoina koa anefa ao anatin’izany ny fifanakalozam-baovao sy fifanentanana samihafa, indrindra amin’izao ankatoky ny fahatongavan’i Dada izao.

Manohy 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libĂ©ration
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovĂ na ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT