Politique

Ankolafy Ravalomanana Hilaza ny heviny anio


  • Alakamisy 15 Novambra 2012

Araka ny fantatra dia hihaona amin’ny mpanao gazety etsy amin’ny hotely Colbert Antaninarenina amin’ity anio ity ny ankolafy Ravalomanana.

 Tsy tena fantatra amin’ny fomba ofisialy ny mety ho votoatin’ny resaka. Tsiliantsofina no handrenesana fa mety horesahana ao ny volavolan-dalàna momba ny tetibola 2013. Araka ny re dia tsy manaiky ny endrik’io tetibola io sy ny fomba nandrafetana azy ity ankolafy ity, ary ireo parlemanterany moa dia efa nilaza mialoha fa ho henjana ny adihevitra rehefa ny minisitry ny vola sy ny tetibola no hiatrika ny CT sy ny CST. Miandry ny hevitry ny ankolafy Ravalomanana momba ny raharaham-pirenena amin’ny ankapobeny koa anefa ny mpanara-baovao, tahaka ny tsy fandriampahalemana any atsimo, ny fiakaran’ny saran-dalana, sy ny entana sasantsasany eny an-tsena, ny savorovoro any Toamasina momba ny tetikasa Ambatovy, ny raharaha andramena mampifanolana ny mpandraharaha mpanefoefo iray amin’ny mpanao gazety sy ny Tangalamena Patrick Zakariasy ka nampidirana am-ponja vonjimaika ity farany.

Fa ny tena andrasan’ny maro dia ny momba ny fiverenan’Atoa Marc Ravalomanana eto Madagasikara sy ny momba ny fifidianana. Misy ireo olon-tsotra mpandinika sy mpanao politika sasany no mihevitra fa tsy hisy fifidianana vanona izany amin’ny 2013. Vao omaly anefa ny filohan’ny tetezamita sy ny filohan’ny CENIT no nanizingizina fa tsy maintsy misy fifidianana ny 8 mey 2013. Ahoana no mety ho hevitry ny ankolafy Ravalomanana amin’izany ? Anio daholo no mety hahafantarana izany rehetra izany etsy amin’ny hotely Colbert.

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT