Na teo aza ny tsaho nandeha sy naely fa mety hisy korontana ny lanonana fifampiarahabana nahatratra ny taona hataon’ny ankolafy Ravalomanana teny amin’ny Magro Tanjombato ny sabotsy teo, dia tonga maro ary tena maro ny mpomba ity filoha taloha ity niara-nifaly sy nikorana ary nifampizara ny nofon-kena mitam-pihavanana ara-bakiteny sady nihaino ny hafatrafatr’ireo mpitarika eto an-toerana sy ny filoha Marc Ravalomanana niantso nivantana avy any Afrika Atsimo.
Safononoky ny hafaliana niaraka tamin’ireo mpanakanto zanak’i Dada ny vahoaka tao anatiny. Taorian’ny vavaka fohy nentin’ireo avy ao amin’ny Vondrom-bavak’i Magro dia ireo olom-boatendry teo aloha avy any amin’ny Faritra niaraka tamin’ny tohana matanjak’ireo mpitarika ny ankolafy isanisany sy minisitra ary ireo depiote vaovao voafidy tamin’ny anaran’ny ankolafy Ravalomanana, no nandray fitenenana fohy tamin’ny alalan’Atoa Hilarion avy any Matsiatra Ambony izay nanamarika fa mbola mitohy ny tolona ary tsy hitsahatra ny hetsik’i Magro raha tsy tonga ny filoha Marc Ravalomanana, mivoaka daholo ireo gadra politika ary sokafana ireo haino aman-jery nakatona rehetra. Ny Depiote Hanitra Razafimanantsoa kosa dia niteny tamin’ny anaran’ireo solombavambahoaka voafidy ka nilaza fa mafimafy ny ady hatrehana nefa efa zatra ady isika. Tsy miova tarigetra sy tanjona ny ankolafy Ravalomanana dia ny fodian’i Dada ihany. Ny stratejia dia miova isa-minitra, sombintsombiny ihany no voalaza amin’ny haino aman-jery. Tsy mbola afaka milaza isika fa mpanohitra satria tsy mbola fantatra ny programa atolotry ny praiminisitra fa isika kosa dia mpanohitra ilay raikalahy taloha hatrany ary ny ratsy koa tsy maintsy toherina.
RHR/Manohy
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.