Ho ambohipihaonan’ny fianakaviamben’ny ankolafy Ravalomanana sy ny vahoakan’Antananarivo sy ny manodidina eny amin’ny Magro Tanjombato ny sabotsy 22 febroary tontolo andro. Araka izany dia hisintaka kely ny Kianjan’ny Finoana, toerana mahazatra etsy Behoririka, ny ankolafy Ravalomanana fa hanao rodobe eny Tanjombato. Fihaonambe hifampiarahabana noho ny taona vaovao 2014 io, ka hifampizarana nofonkena mitam-pihavanana, no fanambarana hery ihany koa, hoy ny mpikarakara.
JD
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.