Politique

Ankerana Avaratra - Bongolava Tsy eken'ny vahoaka ny fanagadrana ny ben'ny tanàna


  • Alarobia 13 Mey 2020

Naiditra am-ponja vonjimaika ny sabotsy 09 mey lasa teo ao amin’ny fonjaben’i Tsiroanomandidy Atoa Rabearisoa Ben'ny tanàna voafidy ao amin'ny kaominina ambanivohitra Ankerana Avaratra, Faritra Bongolava.

 

 

Raha tsiahivina dia resaka halatr'omby efa tapa-bolana lasa izay no antony hitazomana ity Ben'ny tanàna ity. Nisy omby iray very tany an-toerana ka rehefa nandeha nanao fanarahan-dia izany ny Ben'ny tanàna sy ny vahoaka ary ny mpitandro filaminana tao an-toerana dia nisy namatotra tao amin’ny valan'ombin' ny Ben'ny tanàna ilay omby, antony nahavoasaringotra ity farany. Araka ny voalazan'ny vahoaka sy ny Ben'ny tanàna manodidina ny kaominina misy azy nefa dia tsy meloka izy fa noho ny fialonana sy tsy fitiavana fotsiny tsotr'izao izay efa tafiditra tao anaty tetika efa maty paika. Anisan’ny olona niady mafy tamin'ny fametrahana ny fandriampahalemana any an-toerana sy ny ady amin'ny kolikoly mantsy ity Ben’ny tanana ity ka misy ny olona very tombontsoa noho izay ady nataony entina hitantanana ny tanànan' Ankerana Avaratra izay. Nohamafisin'ny vahoaka fa dia tena nilamina ny tanàna nandritra ny fotoana nitantanany tao an-toerana raha mifanohitra amin'izay teo aloha. Mangataka ny hamotsorana ity ben’ny tanàna ity tsy misy hatak'andro araka izany ireo vahoaka any an-toerana. Etsy an-kilany ihany koa ny fivondronan'ny Ben'ny tanàna sy ny solombavam-bahoaka voafidy any amin'ny Faritra Bongolava dia mampiaka-peo noho izao tsindry hazo lena mihatra amin'ny olom-boafidy izao ary mangataka ny hamoahana tsy misy fepetra an'Andriamatoa Rabearisoa izay Ben'ny Tanàna naman'izy ireo. Manome 24 ora ny fitondram-panjakana mba hijery akaiky ny zava-misy any an-toerana izy ireo. Raha sanatria ka tsy tafavoaka moa ity namany ity dia hanapa-kevitra ny hampiato ny asany rehetra any Bongolava ireto olom-boafidy ireto.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT