Nitsidika ny faritr’i Vatovavy Fitovinany ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina sy ny vady aman-janany ary ireo mpiara-miasa akaiky aminy ny faran’ny herinandro teo.
Tafiditra tao anatin’ny fandaharam-potoanan’ny filoham-pirenena tamin’izany ny dinik’asa izay niarahany tamin’ireo tompon’andraiki-panjakana tany an-toerana. Omaly alahady kosa dia niara-niombom-bavaka tamin’ireo mpino tao amin’ny Toby FLM Ankaramalaza ny filoham-pirenena mivady. Tazana tany an-toerana ihany koa ireo minisitra vitsivitsy sy ireo mpiara-miasa akaiky aminy. Amin’ny maha mpiara-miasa akaiky amin’ny filoham-pirenena ny kandida izay natolotry ny vondrona PMP ho praiminisitra sy amin’ny maha zanak’iny faritr’i Vatovavy Fitovinany iny an’i Dokotera Jules Etienne, dia tazana tany an-toerana ihany koa ny tenany nandritra ity dian’ny filoham-pirenena ity. Taorian’ny fotoam-pivavahana, dia noraisin’ny Filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina nihaona taminy ireo Ampanjaka avy any amin’iny faritr’i Fitovinany iny.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.