Politique

Ankadinondry Sakay Namaly ireo mpanenjika azy ny ben’ny tanàna


  • Alatsinainy 31 Aogositra 2020

Nalaza sy niparitaka ny vaovao tato ho ato fa manampatra fahefana ny Ben’ny tanan’ Ankadinondry Sakay, Atoa Ramananjatovo.

 

 

 

 Toraka izany koa ny hoe : manao kolikoly izy. Rehefa natao anefa ny fanadihadiana sy ny fizahana ifotony dia tsy nisy fitarainana nataon’ny vahoaka teo amin’ny asa rehetra izay vitan’ity Ben’ny tanana ity mihitsy hoy izy fa afa-po avokoa ny rehetra. Araka ny fanazavan’ny Ben’ny tanàna hatrany dia nisy mpanolotsaina anankiray no sady mpandraharaha izay mpifaninana tao anatin’ny antoko politika iray, izay manana trano fonenana ao an-tsena. Satria nisy “Plan d’Urbanisme” izay natao tao amin’ny kaominina Ankadinondry Sakay ary nozaraina mazava tsara io “Plan Urbanisme” io no sady efa nangatahana tany amin’ny fanjakana, izay mirefy 47 ha, mba hanitarana ny tanàna. Mazava tsara izany fizarana izany, hoy izy. Misy ny toerana hanaovana tsena, misy ny toerana hanaovana ny foto-drafitrasa mamaly ny filan’ny vahoaka ary misy ny toerana hanaovana trano fonenana voalazan’io drafitra io. Rehefa vita ny asa dia nahitana trano 515 tafo tao anatin’ilay toerana. Ny 5 ha amin’izany no nanaovana toerana fanatanjahan-tena, 1 ha nanaovana tsenan’omby ary nisy an-tsasaky ny ha lasan’ny fiangonana miisa 8. Izay no rafitra napetraka ary nahazoan’ny kaominina titra sy taratasy mazava tsara. Nilaza ny Ben’ny tanàna, fa io mpandraharaha no sady mpanolotsaina iray ao amin’ny kaominina io no tsy afa-po antony nipoiran’ny olana tao amin’ny Kaominina Ankadinondry Sakay. Niainga avokoa ny fifanaratsiana sy ny fanenjehana rehetra taorian’izany. Niakatra fitsarana mihitsy moa ity raharaha ity, hoy ny Ben’ny tanàna.

 

Nangonin’i Pati

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

Hijery ny tohiny
FTT