Toa manaporofo ny siosion-dresaka mandeha fa Rtoa Anjara Manatsara ny teny nataon’ny mpitarika ny ankolafy Ravalomanana tetsy amin’ny kianjan’ny Magro Behoririka, ny sabotsy lasa teo.
Nambarany manko fa vehivavy avy any amin’ny faritra Avaratra no hisolo toerana ny zanak’i Sofia. Anarana tokana no omenay, hoy izy ka averinay in-telo izany. Tsy voasoratra ao anaty sori-dalana rahateo izany fitakiana anarana telo izany rehefa hanolo minisitra. Efa niandraikitra raharaham-panjakana ambony maromaro i Anjara Manatsara. Ny tena namantarana azy dia lehiben’ny faritra DIANA, tamin’ny andron’i Marc Ravalomanana izy, avy eo dia efa Tale jeneralin’ny ministeran’ny fanapariaham-pahefana ity. Raha ny fahalalana azy koa dia efa niara-niasa tamin’ny fitondrana FAT ny tenany ary dia izao hatolotry ny ankolafy Ravalomanana izao indray.
Soa
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.