Politique

Andry Raobelina Miha mafy ny fanenjehana azy


  • Alatsinainy 14 Septambra 2020

Taorian’ireo olon’ny HVM teo aloha toa an-dry Mbola Rajaonah sy Claudine Razaimamonjy dia tsikaritra ho miha mafy indray ankehitriny ny fanenjehana eny anivona haino aman-jery sy tambazotra samihafa ny mpandraharaha Malagasy,

 

 

 Andry Raobelina. Isan’ny voizina ny hoe nanaovany ampihimamba ny toeram-pijerena sarimihetsika an’ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena teo aloha, izay toerana misy ny Plaza, ankehitriny. Ity toerana ity moa izay efa zary fanaovan’olona maloto sisa no nohajarian’ity mpandraharaha ity ho lasa azo hijerena sarimihetsika indray. Voizina ihany koa fa nisy ny fifanarahana maro nifanaovan’ny fitondram-panjakana tamin’ny alalan’ireo minisitry ny fanabeazana teo aloha toa an-dry Paul Rabary, ny 15 Jona 2017, Horace Gatien ny 17 Aogositra 2018, Félicité Rejo ny 28 mey 2019 mikasika ny tokony hanampian’ity mpandraharaha ity ireo sekoly tsy miankina amin’ny alalan’ny vondron’orinasa izay tantaniny. Isan’ny voatanisa ao anatin’ity ampamoaka ity koa ny mikasika ny fiantsonam-piaramanidina an’ny ADEMA izay nampiasain’ny TIKO tany aloha ka nalain’ny orinasa anabakabaka tantanin’ny fianakaviana Raobelina, Madagascar Airways. EPP miisa 15 moa no voalaza fa nifanarahana fa tokony hasian’ity mpandraharaha ity fanatsarana saingy ny EPP Andavamamba ihany no hoe nasiany fanamboarana.Mialohan’izao dia natsikafon’i Andry Raobelina ny tsy fanarahan-dalàna nataona fahitalaviitra tsy mainkina iray tamin’ny fandefasana horonantsary mihetsika tsy nananana fahazoan-dalana akory. Izahay ao amin’ny CANAL 7 no manana io fahazoan-dalana io, hoy izy ary alefa jerena anaty trano aloha ilay izy fa tsy tonga dia zimbazimbaina alefa amin’ny fahitalavitra, tena piraty izany,hoy i Andry Raobelina. Asa izay mety ho tohin’ity raharaha iray ity.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

Hijery ny tohiny
FTT