Iray no nindaosin’ny fahafatesana teto Antananarivo, ary sivy tany Toamasina avokoa. Raha nalaina ny antontan’isan’ny namoy ny ainy tamin’ny aretina hafa tamin’ny taon-dasa, ny janoary 2019 dia 312 ny namoy ny ainy,
195 ny febroary, 166 ny martsa, izany hoe 673 no namoy ny ainy tany Toamasina tao anatin’ny 3 volana voalohan’ny 2019. 2906 kosa ho an’Antananarivo. Nampitaha ny isan’ny maty ny Filoha, ka ny tamin’ny taon-dasa izany no betsaka mitaha amin’izao misy valanaretina izao, izay adikany ho fahafehezana ny aretina. Raha mitohy ny fanajana ny fepetra, dia tsy maintsy ho resintsika ity valanaretina ity, hoy izy. Hita sy tsapa fa amin’ny distrika maro, dia betsaka izay tsy voakasika mivantana ka noho izany dia miverina amin’ny andavanandro avokoa ny asa rehetra manerana ny Nosy, saingy mbola voarara ny famoriam-bahoaka sy ny fanaovana lanonana manerana ny Nosy. Voafehintsika ny aretina ka izay no nandraisana ny fanapahan-kevitra, raha ny fanazavany.
Fepetra manokana
Misy ihany anefa ny fepetra ho an’ny distrika 4: Toamasina I sy II, Moramanga, Fenoarivo Atsinanana, miampy ny faritra Analamanga. Ho an’Analamanga: dia miverina miasa daholo ny rehetra afa-tsy ireo sokajin’olona marefo: taizan’aretina toy ny diabeta, sempotra, voa, tosidrà ambony. Ireo miasa tena dia mahazo miasa hatramin’ny 5 ora hariva. Mitsahatra hatramin’ny 5 ora hariva ny rehetra. Mitsahatra amin’ny 7ora ny fitatarena. Mitohy ny tsy fahafaha-mivezivezy amin’ny alina (amin’ny 10 ora alina -4ora maraina) ho an’ireo distrika ireo. Tsy mbola mianatra ny mpianatra ary tsy mbola misokatra ny zotra nasionaly. Ho an’i Toamasina manokana, dia mahazo miasa hatramin’ny 3 ora , tsy mianatra ny mpianatra ; nambaran’ny filoha anefa fa hisy avokoa ny fanadinam-panjakana rehetra, saingy tsy mbola nanome daty mazava izy.
Ny 26 jona dia daty manan-tantara eo amin’ny fiainam-pirenena. Mendrika ny vahoaka Malagasy ny fankalazana izany ao anatin’ny fomba manetriketrika. Ny 14 oktobra 1958 no tena nananambarana tamin’ny ofisialy ny Repoblikan’i Madagasikara, ka 14 oktobra no hankazalana manetriketrika manerana ny Nosy ny tokony hatao amin’ny 26 jona, hoy i Andry Rajoelina.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.