Politique

Andry Rajoelina Voafatotry ny aferan’ny tetezamita


  • Talata 25 Jona 2019

Miezaka ny filoha fa mbola mifoha hatrany ny ampamoaka mahakasika ny fitantanany tamin’ny andron’ny tetezamita.

 

 

 Toa tsy tena sahy mijoro manohitra an’ireny ny fanjakana amin’izao fotoana kanefa tena izy sy ny fiandrianam-pirenena no voatohintohina. Ampamoaka nivoaka tamin’ny tambajotran-tserasera vao tsy ela, ohatra, ny nataon’i FR izay nilaza tena mampamono olona ny olon’ny tetezamita ary mety ho izany no nahafaty ny mpanao gazety Maurice Tsihavonana izay nahalala afera maro kanefa nisaraka tamin’izy ireo. I Tompokolahy Mamy Rakotoarivelo izay nambara tao anatin’io ampamoaka io fa nampiasain’ny tetezamita ihany koa tamin’ireny fifidianana filoha tamin’ny 2013 ireny. Marina sy mitombina manontolo na amin’ny ampahany ve ireny ka izay no tsy hanenjehan’ny filoha sy ny ekipany ilay mpanao ampamoaka ? Nanana fifandraisana tamin’ny olon’ny mpitondra rahateo no manao ampamoaka. Na miezaka mampiseho fa manao zavatra tsara aza ny filoha dia mandindona hatrany ny dosie maloto nanomboka 2009, izay tsy azo kosehina. Mandeha ny fifandresen-dahatra samihafa amin’ny vahiny fa ny vazaha tsy hiteny hoe: “non”, ka fomba firesaka sy fandavana ara-diplomatika. Efa tratran’io ny fanjakana Rajaonarimampianina tamin’ilay fikaonan-doha niarahana tamin’ny mpamantsy vola tany Frantsa ny 1-2 desambra 2016 nampantenaina fa homena 10,6 miliara dolara saingy tsy nisy. Tsy nahatoky ny mpitondra noho ireo manodidina ny filoha be afera ny mpamatsy vola. Ny tahaka izany koa no toa sakana ho an’ny filoha ankehitriny, ankoatra ny tsy fahamatoran’ny fanjakana amin’ny fitantanana firenena, raha tsy hilaza afa tsy ny fanapahan-kevitra mandroso mihemotra isak’izay mandeha.

 

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

  • TETIKASA
  • Talata 20 Oktobra 2026

"ÉLECTIONS-MAHASAKY"

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

Hijery ny tohiny
FTT