Politique

Andry Rajoelina “Tsy nitsahatra nanoro hevitra ahy ny Filoha Ratsiraka”


  • Talata 30 Martsa 2021

“Very olomanga ny firenena. Tsy filoha teo aloha fotsiny no mandao, fa ny endrika isehoan’ny fitiavan-tanindrazana sy ny hambopom-pirenena”,

 

 

 hoy ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina omaly nandritra ny fanaovam-beloma farany ny Amiraly Didier Ratsiraka teny Iavoloha. Tsy zoviana amin’ny rehetra izy, 50 taona no niainany ny politika. Nanangana ny oniversite 6,Lisea isany ny fivondronana, SAFF isaky ny firaisana , SFF isam-pokontany, ny lapan’ny Kolontsaina Mahamasina, ny kianjan’i Mahamasina, ny toby famokarana herinaratra any Andekaleka,… Niroso tamin’ny fitsinjaram-pahefana, izy no nanafaka an’i Madagasikara tao anatin’ny “zone franc”, filoha voalohany nahasahy nitaky ireo Nosy Malagasy. Nilaza tsiambaratelo, nilaza tamiko fa niady irery taty aoriana, nahatsapa ho toy ny hazo tokana tsy mba ala, ary nandrisika hoe tsy mora io, fa tohizo, hoy i Andry Rajoelina. Ny zavatra tsapako, dia hatramin’ny ora farany dia ny fandrosoan’ny firenena no noresahiny. Sarotra amiko no hino hoe: ny Amiraly izay niresaka tamiko alina, tamin’ny 10 ora latsaka fahefany alina. Mbola tomady tsara, tsy feon’olona marary no niresaka tamiko talohan’ny nahalasany. Niresaka tetikasa fampandrosoana mila hapetraka, ady amin’ny coronavirus, resaka vaksiny ,Tsy nampino ahy hoe olona niresaka tsar atamiko ny alina dia lavo ny maraina, hoy ny Filoha. Tsy nitsahatra izy nanome torohevitra sy torolalana, hoy hatrany ny Filoha Andry Rajoelina. Izy mirahalahy mianaka ireo izay karazan’ny niara-dàlana hatrany tamin’ny resaka politika, ary azo ambara ho nifankahazo am-po tokoa.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT