Politique

Andry Rajoelina Tsy matoky ireo manamboninahitra nanampy azy


  • Alarobia 29 Desambra 2010

Mety tsy nisy mihitsy izany hoe fitondrana tetezamita tarihan’i Andry Rajoelina izany raha tsy nisy ny fikomian’ny miaramilan’ny CAPSAT teny Soanierana sy ny fijoroan’ireo manamboninahitra nahitana ny kolonely isany Ndriarijaona André sy Noel Rakotonandrasana ary ny komanda Charles Andrianasoavina, tamin’izany.

Iretsy roa voalohany dia efa samy nahazo ny gradina jeneraly amin’izao fotoana raha toa ka nakarina ho lietna-kolonely kosa ilay fahatelo. Samy nahazo toerana tsara tao anatin’ny fitondrana tetezamita izy telo mirahalahy ireo, saingy iray volana mahery kely lasa izay dia miandry ny fitsarana azy eny amin’ny fonjaben’i Tsiafahy ny jeneraly Noel R, ministry ny fiarovam-pirenena teo aloha sy ny lietna-kolonely Charles A, efa filoha mpiara-mitantana ny FIS no sady talen’ny «Brigade minière» no sady mpikambana tao amin’ny filankevi-pitantanan’ny Jirama. Manitrikitrika hatramin’ny farany izy mirahalahy voafonja ireto fa mahafantatra zavatra maro momba ilay fananganana ny Komity miaramila ho an’ny fanavotam-pirenena ny CEMGAM ka ilaina ny fakana am-bavany azy sy ny fifampifanatrehana.

Ny manampahefana dia milaza fa efa miroso ny fanadihadiana sy ny famotorana, saingy hita sy tsapa fa tena sarotra ity raharaha ity satria misimisy ihany ireo mety ho voasarika ao anatiny. Anisan’izany ve ny jeneraly Ndriarijaona André ? Tsy afaka am-bavan’ny maro io fanontaniana io hatramin’izao, indrindra taorian’ilay siosion-dresaka niparitaka teto an-drenivohitra fa namely am-pitaka ireo manamboninahitra teny amin’ny BANI ny CEMGAM, ka mody nilaza hoe hifampiresaka, kanefa efa niaraka tamin’ny miaramila mirongo fitaovam-piadiana mahery vaika, vonona ny hanafika sy hisambotra. Noho ireny tranga sy savorovoro rehetra ireny dia efa nivoaka ny resaka fa efa vonona (hono) ny anaran’ilay manamboninahitra hasolo ny CEMGAM ny 18 novambra 2010, saingy nihemotra tampoka tamin’ny fanapahan-keviny indray ny fitondrana tetezamita, noho ny antony tsy fantatra mazava.

Dia efa mandeha indray ny feo amin’izao fotoana fa tsy maintsy hosoloina amin’izany ny jeneraly Ndriarijaona André amin’ny fiandohan’io taona 2011 io, ary mety hampiarahana amin’ny fanovana ny governemanta izany fanilihana azy izany. Na ahoana na ahoana mety ho tohin’ny fanadihadiana manodidina iny raharaha BANI iny dia mibaribary izao fa tsy matoky intsony ireo manamboninahitra nampiakatra azy teo amin’ny fitondrana i Andry Rajoelina, ary tsy ho ato ho ato mihitsy no hivoahan’ny jeneraly Noel R. sy ny lietna-kolonely Charles A. ny fonja. Ny manamboninahitra hafa hanaraka ny dian’izy ireo eny Tsiafahy aza no mety hisy. Voalaza fa anisan’ireo manamboninahitra sarotra fehezina ary tena sahy amin’ny zavatra ataony izy ireo koa tsy mahagaga raha efa nandray fepetra hisorohana ny hetsika mety hataon’izy ireo i Andry Rajoelina sy ny mpanara-dia azy. Efa sahy nanongam-panjakana in-droa miantoana izy ireo ka iza no afaka hiteny fa tsy mbola ho sahy hamerina izany fanintelony ry zareo ? Ny fitambaran’izany fisafotofotoana isan-karazany izany no tsy mampilamina ny eo anivon’ny foloalindahy hatreto satria toa misy ankolafy mifampiandriandry izany fotsiny any anaty lakazerina any, hoy ny manamboninahitra iray tafaresaka taminay.

 
Nangonin’i RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT