Politique

Andry Rajoelina “Tsy mahavita mampiombona ny Malagasy”


  • Alarobia 23 Jona 2021

"Malagasy miray hina sy miara-mientana ho amin'ny fitiavan-tanindrazana”, io no lohahevitry ny fanamarihana sy fankalazana ny faha-61 taona niverenan’ny fahaleovantenan’i Madagasikara amin’ity taona ity.

 Zava-dehibe izany firaisan-kiana sy fiaraha-mientana izany, saingy ny zava-misy sy miseho amin’izao fotoana izao aloha, dia lavitry ny fiombonana isika eto. Zarazarain’ny hevitra tsy mitovy raha ny lafiny politika, ny vahoaka samy maka ho azy hany ka hatramin’ny fanangana-tsaina aza toa maro no malailay fonosona. Tsy tokony hidiran’ny resaka politika ny fananganana ny saina izay fanevam-pirenena. Maro ny antony mahatonga ny fisamatsamahana lavitry ny firaisan-kiana, mifanjevo amin’ny politika. Misy ny fomba fiteny Malagasy hoe: “Tany misy olobe, tsy miady zaza”, izany hoe raha misy ny olona Raiamandreny lehibe tsongoin’olom-bolo ao amin’ny tany sy ny firenena na faritra iray, dia afaka misoroka ny ady satria misy olobe to teny. Ny Filoham-pirenena no Raiamandreny voalohany eto amin’ny tany sy ny Fanjakana fa moa tena mipetraka ho Raiamandren’ny Malagasy ve Atoa Andry Rajoelina? Moa tsy mbola lokon’antokony no hisalorany sy ezahiny asongadina isan’andro? Io no terena hampanjakaina sy harahin’ny besinimaro. Ny Filoha no Raiamandreny voalohany tokony ho fitaratra sy hitarika ny fampihavanam-pirenena, saingy tsy hita taratra izany. Mbola manjaka ny lonilony, ary zary iray amin’ireo laharam-pahamehana iray eto aza ny fanenjehana mpanohitra. Na aiza na aiza eto ambonin’ny tany tsy hisy firenena afaka handroso ao anatin’ny fifamaliana faty, korontana mivantana na ankolaka ara-politika,… Mila mipetraka ho tena Raiamandren’ny Malagasy ny mpitondra, ary tokony handinin-tena ihany raha tsy mahavita mampiombona araka ny tokony ho izy ny firenena.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT