Tsy manana eritreritra hanalava ny fe-potoana iasako aho, fa ny imasoako dia fanatanterahana fotodrafitrasa, hoy i Andry Rajoelina Filoham-pirenena omaly eo anatrehan’ny fihazakazahana nampivory ny parlemantera handany ny didy hitsivolana noraisiny.
Nambarany fa olona vitsivitsy ao amin’ny antenimierandoholona no mety te hanalava ny fotoana iasan’izy ireo, izay ho tapitra amin’ny janoary 2021. Ny loholona dia isan’ny fampanantenana napetrako tamin’ny vahoaka Malagasy ny hamadihana ny tetibola mampiodina azy hanaovana zavatra hafa ho an’ny vahoaka. 25 miliara ariary isan-taona ny tetibolan’io hoy izy. Nambaran’ny HCC fa tsy azo atambatra ny fifidianana solombavambahoaka sy fitsapan-kevi-bahoaka, ary rehefa tsy azo nofoanana ny antenimierandoholona, dia nahena ho 18 ny isan’ireo Loholona. Azoko natao tamin’ny didim-panjakana izany saingy, nataoko tamin’ny didy hitsivolana, mba holanian’ny parlemantera. Ahavitana oniversite 5 isan-taona, ka 4 isan-taona no azo atao taorian’ny fanenana, hoy i Andry Rajoelina. Nambarany moa fa hotanterahina alohan’ny faran’ity taona ity ny fifidianana loholona. Fanontaniana somary manitikitika kosa ny hoe hoe: ny loholona 63 ve no mandany vola kokoa noho ny depiote 151 ?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.