Politique

Andry Rajoelina "Tsy hamosavy ny zaza Malagasy ny fanjakana"


  • Talata 21 Aprily 2020

Hozaraina maimaim-poana amin’ny isan-tokantrano ilay tambavy COVID organics na CVO manomboka izao hoy ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina omaly.

 

 

 Any amin’ireo toerana nahitana ny fiparitahan’ny tsimokaretina COVID 19 no hisantarana izany voalohany ka ny Fokontany no hampandraiketina izany hoy izy. Ho an’ireo toeram-pivarotana maro samihafa kosa dia nomarihiny manokana fa ny IMRA izay mpamokatra ny fanafody no hitsinjara izany, eny hatrany amin’ireo toeram-pivarotam-panafody. Tsy hadinony nandritra izany ny namaly ny resabe hataon’ny olona mikasika ny fisotroana ity tambavy ity, indrindra fa ho an’ireny mpianatra hiatrika ny fanadinam-panjakana toy ny CEPE sy ny BEPC ary ny baka izay hiverina hianatra ato ho ato. Aza alefa mianatra ny zanakareo rehefa tsy tiana omena hoy izy fa ny fanafody dia natao ho an’ny Malagasy rehetra ho fiarovana azy ireny. Nomarihiny tamin’izany fa tsy hilamina mandrakizay ny sain’ny fanjakana raha izy ireo no hankarary na hamosavy ny zaza Malagasy. Notsiahiviny manokana moa fa hevitra avy aminy no nampiasana ilay artemesia nampiana zava-maniry zana-tany nahazoana ilay tambavy CVO. Tsy maharaka hitsaboana ny Malagasy rehetra mantsy hoy izy ilay akora nanamboarana ny ATA na ilay Aro amin’ny tsimok’aretina izay vokarin’ny IMRA hatrany ka tsy maintsy nitadiavana hevitra. Ho an’ny tale jeneralin’ny IMRA manokana dia nomarihiny fa ny hamokatra fanafody zakan’ny fahefa-mividin’ny besinimaro no antom-pisian’izy ireo, amin’ny alalan’ny zava-maniry. Hatreto dia karazam-panafody miisa 50 no efa novokariny ary efa nanoratra lahatsoratra tamina gazety siantifika mihoatra ny 350 izy ireo. Nampahafantarina omaly ny fisian’ity vokatra vaovao ity iadiana amin’ny COVID 19. Fiaraha-misotro ny fanafody nisantarana izany, natrehan’ireo mpikambana maro ao anatin’ny governemanta sy ny masoivohon’i Sina miasa sy monina eto amintsika.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT