Nitombina tanteraka ny tenin-dRajoelina, roa andro monja taorian’ny latsa-bato natao ny 27 mey tany Frantsa, fa nahazo solombavambahoaka 80 ka hatramin’ny 90.
Iny tokoa fa toerana 84 eo no azon’izy ireo, raha ny vokatra vonjimaika avy amin’ny CENI. Manana ny maro an’isa tsy azo hozongozonina izany ny filoham-pirenena, izay midika fa malalaka amin’ny vina sy fampandrosoana tian-katao. Tsy manana fialana bala intsony Rajoelina, ka hanilika ny tsy fahombiazany amin’ny hafa, fa dia miandry izay hafitsony ny rehetra. Haharesy lahatra ny mpiara-miombon’antoka na eto an-toerana na ny iraisam-pirenena tokoa ary ve i Andry Rajoelina ? Mason-tsivana maro no jerena amin’io, ary anisan’ireny ny tontolon’ny demokrasia. Na tsy miteny aza ny mpamatsy vola dia mahita ny tena zava-nisy marina teto na tamin’ny fifidianana filoha izay nampandresena an-dRajoelina na ilay fifidianana depiote teo. Torak’izany ihany koa ny ady amin’ny kolikoly, izay hisian’io fanenjehana sy fanagadrana io. Fantatry ny olona ihany koa fa ny ekipan’ny filoha, izay voarohirohy amina afera maloto, dia saika tsy voakitika ny ankamaroany raha tsy hilaza afa tsy ny olona iray ananan’ny fampanoavana Frantsay dosie. Mbola mangeja ihany koa ny tantaran’ny 2009 sy ny fanjakana tetezamita. Ny resaka tetikasa IEM, dia toa mitsefotra hatreto ka na ireo nambara fa mpamatsy vola naseho tany Frantsa aza tsy misy hita. Ny tetikasan’ny hafa tsy voasoratra anaty IEM no ezahina hosarontsaronana ambara fa velirano.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.