Voararan’ny lalàna ny fitokanan-javatra ao anatin’ny vanim-potoanan’ny fampielezan-kevitra tahaka izao. Na tsy tena fitokanana aza ny nataon-dRajoelina tany Tsiroanomandidy ny alakamisy 16 mey teo,
dia mitovitovy amin’izay ihany ilay fanombohana ny tetikasa fampiasana “puce électronique” hapetaka amin’ny omby. Tsy ilay tetikasa no ratsy fa ilay fotoana nanaovana ilay hetsika. Tsy afaka niandry fotoana mba nahavitan’ny fifidianana ve ? Somary nandeha rahateo ny kabary politika milaza fa homeny fanampiana avokoa ny kaominina rahetra na menamena na mangamanga na mavomavo ny loko politikan’ny ben’ny tanàna. Mifanohitra tanteraka amin’ny fihetsiny ara-politika io satria raha tena mipetraka ho filohan’ny Malagasy rehetra sy tsy manao tombo sy hala izy tsy nanaiky velively ireo kandida depiote tohanany hialokaloka amin’ny anarany. Mikasika io tetikasa io dia tao Tsiroanomandidy tokoa ve no toerana tena mety sy tsara indrindra nanaovana izany ? Ny faritra Bongolava mantsy dia nampanao sy nampandresy ny “tsia” tamin’ny fifidianana ilay lalàmpanorenana petatoko tamin’ny taona 2010. Anisan’ny kianjan’ny antoko TIM sy handreseny hatrany amin’ny fifidianana ka ezahina halaina ve ny fon’ny olona hampandany ny kandidan’ny IRD ? Nahatalanjona ny nahita an’Atoa Haja Ramaherijaona kandidan’ny IRD nilahatra tamin’ireo manampahefana ambony tao an-toerana izay nifandray tanana tamin’ny filoha ankehitriny Andry Rajoelina. Nialoha iny, dia efa nisy ny fitokanany ny Kianjan’ny Elgeco Plus, izay an’ny sehatra tsy miankina izay kandida depioten’ny IRD ihany koa no tompon’andraikitra. Raha ny satany manokana dia depiote teo aloha, ary mbola kandida saingy navela malalaka hilahatra tamin’ireo olom-panjakana ara-dalàna. Azon’ny tompon’andraikitry ny arofenitra natao tsara ny niteny sy nanala azy am-panajana, mba hialana amin’ny endrika fitanilan’ny fitantanana ny raharaham-panjakana amin’ny politika kanefa niniana nikipiana. Ny andininy faha-49 amin’ny lalàmpanorenana dia mandrara ny filoha tsy hanafangaro ny asany amin’ny raharaham-pifidianana, raharahan’antoko,… saingy mampanahy ny zava-misy satria miendrika propagandy ankolaka.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.