Politique

Andry Rajoelina Tia manamaivana sy manambany ny hafa


  • Alatsinainy 09 Mey 2022

Herinandro mahery izay no nanehoan’ny Filoha teo aloha Marc Ravalomanana, fa tena nametraka ho laharam-pahamehana ny fampianarana ny zaza Malagasy izy, nianatra ny 92% amin’ny zaza Malagasy,…

Nisy moa ny famatsiam-bola mazava isan-taona avy amin’ny Fanjakana Norvezianina izy izay, mitentina 100 tapitrisa dolara isan-taona nahafahan’ny Fanjakana Ravalomanana tena nampitovy ny zaza Malagasy tamin’ny lafiny fampianarana, ka novatsiana fitaovana tsy tapaka, fa tsy santionan-javatra hanaovana serasera mipoapoaka. Somary naherihery ny fanehoan-kevitra nataony herinandro mahery izay, fa tsy sekoly manara-penitra 300 na 500 no hireharehana, fa nametraka ary nahavita lavitra betsaka noho izany izy nanerana ny Nosy, raha ny nambarany. Tonga ihany koa tetsy andaniny ny fanehoan-kevitra nataon’ny Filoha Rajoelina, miresaka sekoly sy fampianarana. Nanamaivana tanteraka indray ireo Filoha nifandimby hatramin’ny nahazoana ny fahaleovantena. “Miisa 510 ny isan’ny sekoly fanabeazana nitsangana nanerana an’i Madagasikara nanomboka tamin’ny nahazoana fahaleovan-tena. 480 tamin’ireo dia natsangantsika tao anatin’ny fe-potoana nitondrantsika tao anatin’ny telo taona ho an’ny ankizy sy ny tanora Malagasy”. Miisa 30 monja ve izany ireo sekoly vita tao anatin’ny 62 taona? Hafahafa hatrany ny fanehoan-kevitry ny Filoha ankehitriny k asa hoe: tsy fahaizana sy tsy fahalalana ve sa tena minia jamba ?

Toky R
 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika sy jeopolitika
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mifaninana mafy eto i Lafrantsa sy Rosia

  • Delegasiona avy amin'ny SADC
  • Alarobia 13 Mey 2026

Nitsidika an'i Rinah sy Marie Michelle tany am-ponja

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT