Politique

Andry Rajoelina “Tena sarotra ny manapa-kevitra…”


  • Alakamisy 02 Aprily 2020

Nametraka ny lamina rehetra saingy tsy vitan’ny mpitondra irery. Ny 12 andro manaraka dia tanjona ny hoe mba ho betsaka indray ny olona sitrana.

Hatreto aloha isika, raha hatramin’ny faha-4 aprily fiafaran’ny fihibohana dia tsy ho tonga amin’ny “stade 2”, hoy ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina, omaly. Tany Frantsa vao niakatra 300 no tonga tany amin’ny hopitaly, dia niakatra 900, ary fotoana fohy dia an-jatony no matiny. Hatreto dia voafehintsika ilay fiparitahana. Mila lanjalanjaina be ny fanapahan-kevitra raisina satria tsy fantatra izay mety ho avoaky ny ampitso amin’ireo “cas contact” maromaro, toy ny tany Antsirabe, Antananarivo, Toamasina. Tokony hanantona avy hatrany any amin’ny hopitaly vao misy soritr’aretina fa tsy miafina na mitsoaka, hoy ny filoha  Andry Rajoelina. Hatao ny fandrefesana amin’ny 4 aprily hoe mety hotohizana ve ny fihibohana manokana sa havadika ho manontolo sa hisy fepetra hafa ,  hoy izy. Hisy ny fivoriana iarahana amin’ny sehatra maro toy ny sehatra tsy miankina handraisana ny fanapahan-kevitra, hoy hatrany ny filoham-pirenena.Fehiny : sarotra ny fanapahan-kevitra, tsy mbola fantatra izay ho tohiny fa dia miankina amin’ny fitomboana na fihenan’ny tarehimarika sy ny asa maro be tsy maintsy atao.Tsy maintsy mijery ny lafiny ara-toekarena ihany koa anefa ny fitondram-panjakana satria tena hiditra krizy ny firenena raha toa ka mbola hitohy ny fihibohana sy tsy fahafana miasa araka ny tokony ho izy

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT