Politique

Andry Rajoelina Telo taona omaly ilay hoe: “hanavotra an’i Madagasikara”


  • Alatsinainy 02 Aogositra 2021

Feno telo taona katroka omaly 01 aogositra ny fanambarana nataon’Atoa Andry Rajoelina nilaza tetsy Mahamasina hoe:

 “ Ry Malagasy namana, reko ny antsonareo toa ny dobok’amponga miredona ao anatiko ka mandona ny foko. Voaraiko ny tsodranonareo avy any aminareo ray aman-dreny rehetra. Ary ny tso-drano zava-mahery, koa ity aho manoloana anareo. “Efa nilaza fa hipetraka ho vaha olana ho an’i Madagasikara, hitondra vaha olana hoan’ny firenena Hamerina ny fanantenana fa tsy hitondra fahantrana mba hampiverina ny fitiavantanin-drazana ao am-pon’ny tsirairay avy. Efa nitondra ny firenena ny tenako ka tsy fahefana no tadiaviko, tsy voninahitra, tsy tombotsoa manokana, fa te hitondra fampandrosoana hametrahana an’i Madagasikara amin'ny toerana tokony hisy azy. (…) Ny fiainako manontolo dia atolotro hoan’ny firenena ary ho ataoko ny ezaka rehetra izay tratrin’ny aiko hampandrosona an’ity Nosy malalantsika ity”, hoy i Andry Rajoelina. Koa androany 1 aogositra 2018, izaho Andry Rajoelina dia manambara amin'ny fomba ofisialy fa manolo-tena hoan’ny Tanindrazana ka hirotsaka ho fidiana ho filoham-pirenena, hirotsaka ho fidiana hiadidy ny fampandrosoana ny Repoblikan’i Madagasikara. (…) Isika rehetra tsy maintsy mandresy satria Isika rehetra no hanavotra an’i Madagasikara !”, hoy I Andry Rajoelina. 3 taona katroka aty aoriana, tsy mbola niaina fahantrana lalina sy fahadisoam-panantenana noho izao I Madagasikara tao anatin’ny 60 taona. Tsy mazava ny sori-dàlana sy ny vina, ary indrindra ny paikady hoenti-manatanteraka izany, ka fomba fiasa misavoamboana no nenti-mitondra firenena. Harin-karena faobe -4%, raha 5,2% no noraisina teo! Ny volana desambra 2018 tao anatin’ny adihevitra nifanaovany tamin’i Marc Ravalomanana no nilazany fa tsy ilaina ny famatsiam-bola amin’ny mpamatsy vola mahazatra mampahantra firenena, fa isika aza no hampindrana an’i Kaomoro. Zary fialana bala ny hoe: niaina krizy ara-pahasalamana itoviana amin’ny iraisam-pirenena, saingy hoy Atoa Marc Ravalomanana hoe: ny firenen-drehetra samy nandalo coronavirus tafavoaka koa nahoana anefa isika no vao mainka miha gisitra ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT