Mazava ny resaka fa te-ho filoham-pirenena hadio i Andry Rajoelina. Niniana tsy nolazaina avokoa anefa ireo tranga tena niteraka ny krizy politika teto amintsika, indrindra fa ny fahapotehan’ny toekarena, izay nampiaiky volana ny maro fa tena ho sarotra ny hanarina azy.
Manadio tena mafy amin’ny resaka fanondranana « bois de rose » i Andry Rajoelina ka nilaza mihitsy fa niady tamin’izany nandritra ny Tetezamita. Raisina avokoa ireo karazana fepetra entina hanadiovan-tena. Tsy misy afa-tsy ny fiezahana namafa ny andraikiny tamin’ny fanapotehana ny firenena no asongadin’i Andry Rajoelina amin` izao fotoana izao. Miharihary ny mbola fanaovany ny malagasy ho bado ka hihinana am-bolony fotsiny ny fampanantenana ho avy mamirapiratra ho an’i Madagasikara, izay efa nopotehiny tanteraka. Mihevitra izy fa ho vita mora ao anatin’ny indray mipi-maso monja angamba no hanadinoina ny fomba mamohehitra nanapotehany ny firenena.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.