Politique

Andry Rajoelina tao Tsihombe Nirarakompana indray ny fampanantenana


  • Alatsinainy 05 Oktobra 2020

Ho avadika sentetika ny kianja filalaovam-baolina. Hahazo fampitaovana anio dieny anio ihany ny mpianatra tsirairay ato amin’ny EPP Tsihombe.

 Ho apetraka amin’ireo distrika miisa 4 aty atsimon’ny nosy dia i Beloha, Tsihombe, Ambovombe, Amboasary mba hitsinjovana ireo zokiolona sy ankizy ianjadian’ny tsy fanjarian-tsakafo ny ivon-toeram-panarenana ara-tsakafo sy fahasalamana. Santionany tamin’ireo fampanantenana nirarakompana indray nataon’ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina, tao amin’ny distrikan’i Tsihombe nandritry ny fandalovany tao an-toerana ny sabotsy teo ireo. Asa indray na firy isan-jatony no ho tanteraka sy ho tanteraka an-tsakany sy an-davany. Ankoatr’izay moa dia nifidy ny ivon-toeran’ny Soeurs filles de la charité de Saint Vincent de Paul ny tenany hametrahana izay ivo ara-tsakafo izay ary mbola nampanantena koa fa handray tohana ara-tsakafo ao isaky ny 15 andro ireo mponina ao an-toerana. Ho hita eo indray ny tohiny.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

Hijery ny tohiny
FTT