Politique

Andry Rajoelina Tafiditra any Eoropa na dia tsy vita vaksiny aza ?


  • Alakamisy 17 Jona 2021

Namoaka fampahafantarana ofisialy ny seraseran’ny Fiadidian’ny Repoblika omaly momba ny tsy maha eto an-tanindrazana

 

 

 ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina. Ny takarivan’ny talata teo no re fa nanainga i Andry Rajoelina, izany hoe taorian’ny fitsidihany ny Kianja Barea Mahamasina. “Ankoatry ny maha Filohan'ny Repoblika azy dia Ray sy loham-pianakaviana ihany koa ny Filoha Andry Rajoelina ary manana andraikitra eo anivon'ny ankohonany sy ny vady aman-janany. Noho izany indrindra dia nanainga an-Tanindrazana izy, hanefa ny adidiny amin'ny fanatrehana ny "confirmation" an’ny zanany vavy tokana. Zava-dehibe loatra eo amin'ny fiainana tokoa mantsy izany ary indrindra fitahiana sy fahasoavana lehibe avy amin' Andriamanitra. Ho tafaverina an-Tanindrazana ny tenany vao vita izany amin'ny alahady izao, hanohy indray ireo asa maro mbola miandry antsika", hoy ny seraseran’ny Fiadidian’ny Repoblika. Tsy fivoahana ofisialy amin’ny maha Filoham-pirenena izany, fa adidy ara-pianankaviana

MBOLA TSY VITA ?

"Ao anatin’ny fisokafana amin’ny ampahany amin’ny sisin-tanin’i Frantsa, na inona na inona antona, dia tsy misy ny fahazoan-dàlana manokana na « laissez-passer spécifique », fa tsy maintsy mampiseho ny porofo maha vita vaksiny feno amin’ny iray amin’ireo vaksiny 4 eken’ny Vondrona Eoropeanina, dia ny Moderana, Pfizer, Astra Zeneca na Johnson and Johnson, ary tsy maintsy ny iray amin’ireo. Ny vaksiny Covishield dia mbola tsy tafiditra ao ao anatin’ireo manam-pahefana ara-pahasalamana Eoropeanina", hoy ny Masoivoho Frantsay. Tsy afa-miditra any Frantsa izany raha tsy vita vaksiny. Ny alakamisy 10 jona no nisy ny fanehoan-kevitra nataon’ny Filoham-pirenena teo aloha Marc Ravalomanana taorian'ny fanaovany vaksiny teny amin'ny Foiben'ny PNUD Andraharo, fa efa nanao vaksiny niafina tany ambadimbadika tany ny ankamaroan’ireo mpitondra ireo. Tafiditra ao anatin’izany ve i Andry Rajoelina? Sa ve hafa mihitsy rehefa filoham-pirenena ka rehefa “négatif » fotsiny ohatra ilay Test PCR dia afaka mandeha n’aiza n’aiza. Hatramin’ny omaly mantsy dia tsy mbola nisy filazana ofisialy hoe nanao vaksiny ny Filoha Andry Rajoelina.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT