Politique

Andry Rajoelina sy Roland Ratsiraka Mihalalina ny lonilony, mifanindry tanteraka


  • Talata 26 Jolay 2022

Miezaka mitety faritra, mitonkan-javatra sy mampanantena zavatra maro ny Filoha Rajoelina hanakonana ny sary politika miseho eto an-dRenivohitra.

Miezaka mafy mamory vahoaka hanehoana fa mbola betsaka ny mpanohana. Taorian’ny tany Boeny, izay nitokanan-javatra sy nanaovana fampanantenana maro, niazo ny faritra SAVA indray ny Filoham-pirenena. Nihaona tamin’ny mpamboly lavanila, ary niteny hentitra an’ireo mpandraharaha mba hitazona sy hanaja ny vidiny farany efa nofaritana dia ny 75 000Ar. Nilaza fa nitondra mpividy lavanila mihitsy aza, ka nilaza omaly tany Ambalavanio Andapa, fa hiaro ny tantsaha no alehany any. Nitondra karatra biometrika ho an’ny mpamboly nakana ny fon’ny olona. Nanome toky ireo mpandraharaha fa mahazo “agreement” na fankatoavana hanondrana lavanila izay rehetra manaraka ny lalàna. Tsara hatrany ny mampahatsiahy fa tamin’ny propagandy 2018, dia nampanantenaina vidina lavanila avo 3 heny i Andry Rajoelina. 200 000 Ar ny vidiny mando tamin’izany, ary 600 dolara na 2,3 tapitrisa ny vidiny tamin’ny 2018, ary 75 000Ar sy 250 dolara izany izao. Nampanantenaina hatramin’ny laboratoaran-davanila raitra indrindra aty Afrika. Vokany, SAVA no nahazoany isan-jato be indrindra tamin’ny fifidianana satria 89,93. Mbola Analanjirofo izay mpamokatra lavanila ihany koa ny faharoa, nahoazoany 85% mahery. Ho ratsy anefa ny tantara amin’ny fifidianana manaraka, ka miezaka maka ny fon’ny olona indray Rajoelina. Etsy andaniny, misy ny fitetezana ireo faritra mpamokatra lavanila ataon’ny depiote Roland Ratsikara, izay manakiana mafy ny Fanjakana ho mangeja ny lavanila, ary efa nanenjika hatrizay ny mpandraharaha mpanefoefo akaiky ny filoha ho mpanao ampihimamba. Tao Sambava izy ny 23 jolay, tao Andapa ny 24 jolay, ary Vohemar omaly 25 jolay. Nisy ny fampiasana ireo t-shirt volomboasarin-dRajoelina izay homboana amin’ny hazo fijaliana, entina maneho tsy fahafaliana. Sahy ary tsy mihambahamba manebaka ny fitondrana volomboasary i Roland Ratsiraka, ary io toa tonga mamafa ny diany io i Andry Rajoelina. Tsapa izao fa tamin’ny toerana rehetra nandalovako na tany Sambava na Andapa na Antalaha dia tena tsy afa-po ny olona tamin’ny vidin’ny lavanila.

“MILA MIOVA « COULEUR » ISIKA”
“Aoka izay ny jadona ataon’ny Fanjaana amin’ny lavanila, izay ity volomboasary ity no loko entin’izy ireo isan’andro ka aza asiana politika ny lavanila, avelao ny olona halalaka amin’ny fahazoana “agrément”. Aoka izay ny Fanjakana mampietry ny firenena, firenena mila mandroso, firenana mila miova “couleur” », hoy i Roland Ratsiraka izay naneho, fa na ho avy any aza i Andry Rajoelina dia tsy hivaha ny olana raha mbola fangejana. Nilaza moa izy fa nampihorohoroan’ny manam-pahefana toy ny Prefet sy ny mpitandro filaminana ny hotely izay tokony nampiantrano ny fivoriana nokarakarainy tao Andapa sy Antalaha. “Ny fandalovan’ny filoha hono no anton’izany, tokony ajanona ny fivoriana”, hoy ity depiote ity, izay nanizingizina fa vonona ny hifanatrika tamin’ny manam-pahefana nanakana ireo fivoriana.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

Hijery ny tohiny
FTT