Politique

Andry Rajoelina Sarotra ny toerana misy azy


  • Talata 16 Martsa 2021

Tojo vanim-potoana manahirana ny Filoha ankehitriny Andry Rajoelina. Mandeha ny tsindry ara-politika amin’ny endriny maro,

 na avy aty ivelan’ny fitondrana na ao anatiny. Ireny efa niaraha-nahalala ireny ny tenin’ny depiote Rahasimanana Paul Bert na Rossy sy ny depiote Lanto Rakotomanga momba ny fanakianana ny olona sasany ao anaty governemanta, izay tsy mahavita azy. Efa karazana tsindry politika ireny na tsy misy fanerena ny Filoha aza. Endrika maneho, fa ny ao anaty Fitondrana aza efa miaiky fa kofona ny Fanjakana. Iny vaky bantsilana iny ihany koa ny ady eo amin’ny Talen’ny seraseran’ny fiadidian’ny Repoblika sy ny Minisitry ny serasera na tsy mivantana aza. Ny avy ety ivelany, dia mirangorango ny mpanao politika sasany, izay misy ny toa manararaotra ny fisian’ny hetsiky ny mpanohitra, ka manao pi-maso amin’ny fitondrana. Mandeha ny paikady sy ny kajikajy politika, ka manomboka miseho ireo karazana vondrona sy antoko politika, izay misy ny maneho ankolaka na mivantana fa namana ka mba jereo rehefa tonga ny fizaran-tseza raha vantanina,… Ny olana ara-tsosialy, toekarena, fahasalamana anefa mbola manahirana etsy andaniny. Toa tsy tena mahita horaisina ny Filoha sy ny ekipany. Sarotra ny toerana misy an’i Andry Rajoelina, ary ahafaha-mijery ny maha tena mpitarika (Leader) azy na tsia ny fifehezana ny krizy miseho. Mbola izy no lohany sy tompon’ny fanapahan-kevitra farany eto amin’ny firenena, saingy hita ho kofona sy tsy mahita izay tena ho raisina. Tsy voafehy ny mpiara-dia, hany ka toa vao mainka mandemy ny Fanjakana. Amin’ny fomba ahoana moa no inoana fa hahavita hamaha olana goavana be maromaro, kanefa ny adin’ny samy olona ambony ao anaty fitondrana aza manahirana ka hanaovan’ny olona vazivazy hoe alefaso any amin’ny fampiadiana akoho any Antsiranana? Isan’ny poizina ho an’ny Fitondrana ny nanamaivanana ny fampihavanam-pirenena sy ny fiheverana, fa mandrakizay ny fahefana sy ny tanjaka politika. Efa 2021 isika izao fa tsy 2009 intsony ka mila mandinika sy manetry tena ihany.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT