Nandeha ny tamin’ny taona 2010, rehefa natao ny fihaonambem-paritra sy fihaonambem-pirenena fa hoe nomen’ny fianakaviambe iraisam-pirenena roa taona, hahafahany manatanteraka fifidianana sy mamoaka ny firenena amin’ny krizy, ny filohan’ny tetezamita Andry Rajoelina.
Izy aza, efa neken’ny Firenena Mikambana hisolo tena an’i Madagasikara amin’ny fivoriana rehetra karakarainy, ao anatin’ny fotoana voafetra. Voasonia ny tondrozotra avy eo. Tsy mbola milamina anefa ny toe-draharaha ary tena zavatra hafa mihitsy no nihazakazahan’ny filohan’ny tetezamita dia ny fanorenana fotodrafitrasa sy ny fanaovana fifanarahana lavitr’ezaka amina orinasa vahiny mpitrandraka harena ankibon’ny tany, izay tsy andraikitry ny fitondrana tetezamita mihitsy. Ny Frantsay moa no tena manohana mivantana ny filohan’ny tetezamita ary miasa mafy eto an-toerana sy any ivelany, idirany daholo any amin’ny Firenena Mikambana. Ao amin’ny Vondrona Afrikanina sy ny SADC, ny OIF sy ny COI moa dia efa saribakoliny tanteraka.
Tsy mety mahatafavoaka baolina i Andry Rajeolina hatramin’izao, ary efa dila ilay fe-potoana, tsy nety nahavita fifidianana ny fitondrana tetezamita ary tsy nahavita nampangina tanteraka an’i Marc Ravalomanana, izay manana ny maha izy azy koa, eto an-toerana sy eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena, ary manana ny mpanohana azy. Mandeha ary ny tombantomban’ireo mpanara-baovao politika, fa raha tsy mailo sy mahay manova famindra manaraka ny zava-misy, ny filohan’ny tetezamita dia mety ho ratsy fiafara tahaka an’i Laurent Gbagbo, nitantana ny tetezamita nandritra ny 7 taona tany Cote d’Ivoire. Tany am-boalohany dia notohanan’ny Frantsay i Gbagbo, ela loatra anefa ilay tetezamita, niova tanteraka ny zava-misy, dia iny izy nosorohana tamin’ny fiara mifono vy iny vao niala. Miatrika ny fitsarana iraisam-pirenena i Laurent Gbagbo amin’izao fotoana, ary hanara-dia azy koa Rtoa vadiny. Fanaovana vono moka na “génocide” no hiampangana azy ireo, miampy famatsiana fitaovam-piadiana milisy. Nitambatra ny fianakaviambe iraisam-pirenena nanongana an’i Laurent Gbagbo ary nampisondrotra an’i Alassane Ouattara, zanaka an-tranon’ny Banky Iraisam-pirenena.
Hatreto aloha dia tsy mbola nisy firenena tokana ka hoe naharesy izany fianakaviambe iraisam-pirenena izany. Nisy natanjaka sy mafy loha tahaka ny filoha Irakianina Saddam Hussein sy ny filoha Libiana Mouammar Kadhafi ve, fa dia tsy vitan’ny hoe nirodana fa tena lasan-ko razana niaraka tamin’ny ampahany betsaka tamin’ny fianakaviany izy ireo. Na ny Firaisana Sovietika teo aloha koa aza dia noheverin’ny maro fa tratran’ny angaredon’ny fianakaviambe iraisam-pirenena, izay ireo tandrefana no tena manao zavatra ao. Manomboka hafahafa ny fizotry ny toe-draharaha eto Madagasikara ankehitriny, ka asa raha mba mahafantatra tsara ny tantara sy ny fomba fiasan’ny iraisam-pirenena ihany Atoa Andry Nirina Rajoelina, na ahoana fa raha tsy mitandrina izy dia mety ho ratsy fiafara, ary tsy hafa fa mety ho ny Frantsay ihany no hanapotika azy.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.