Politique

Andry Rajoelina Potehin’ireo manodidina azy ihany


  • Alatsinainy 25 Jolay 2022

Inona marina moa izany no dia tena antony nanakanana ireo tsy faly amin’izao fitondrana izao hiditra tetsy amin’ny Magro Behoririka ny sabotsy teo? Inona no dia tena antony nisamborana ny sekretera jeneralin’ny antoko politika

 TIM, Rina Randriamasinoro, sy ny mpandrindra ankapoben’izy ireo, Jean Claude? Ny iray kandida ben’ny tananan’Antananarivo farany teo. Ny iray mpikambana eo anivon’ny biraon’ny Tiako I Madagasikara. Samy mpikambana eo anivon’ny Rodoben’ny mpanohitra ho an’ny demokrasia eto Madagasikara ireo. Tsy mbola nitantana teto amin’ny firenena akory. Isan’ny fanontaniana apetraky ny mpanara-baovao ankehitriny ny hoe “Ity fampirehetana afo misambotra olona ity sao dia mba tetika avy ao anatiny ihany? Tetika hoe hidirana anaty krizy ka hiavian'ny resaka tetezamita na fiaraha-mitantana? Alaina sary ny filoham-pirenena mizara vatsy tsinjo sy ny karatany sy ny tariny rehetra. Tokony ho izy ve anefa no hanao izany? Impiry moa izay ny filoham-pirenena no niharana fahafaham-baraka noho ny nafitsok’ireo manodidina azy ao anaty fitondrana ao? Tao ny minisitra manondrana tamin’ny resaka fiarahana amina artista. Tao ny volamena amina kilao maromaro tafavoaka an-tsokosoko sy nivadika vy rehefa tsy hita. Ny raharaha “panier garni”, “ecran plat”, “bonbon sucette” sy ny tariny rehetra manginy fotsiny. Fanao rehefa mitondra ve ny miteny hoe “tsy maintsy midina ny vidin-tsolika’’? mampametra-panontaniana mihitsy hoe mba iza loatra na iza avy aza no mpanolontsaina ny filoham-pirenena ao? Iny indray izao fa nisy iny fanakanana ireo lazaina fa “resy lava” iny kanefa toa atahoran’izao fitondrana izao fatratra ihany? Navela namoaka filazana fa tsy hanakana azy ireo ny prefe anio dia ny ampitso toa nivadika indray ny lela? Iza ao anaty fitondrana ao no tena manome ny baiko mikasika ireny rehetra ireny sy manana tombony amin’ny sary ratsy mahakasika ny filoham-pirenena? Ny sary hita ny sabotsy teo fotsiny dia efa toy ny naneho fa tena tsy mahazaka demokrasia sy mpanao didy jadona ny filoham-pirenena. Tena izany tokoa ve anefa izy? Miseho lany hatrany hatreto fa potehin’ireo manodidina azy ihany I Andry Rajoelina.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

Hijery ny tohiny
FTT