Politique

Andry Rajoelina Potehin’ny sehatra iraisam-pirenena


  • Alakamisy 29 Novambra 2012

Maro no manomboka mieritreritra izao fa tena ho ratsy ho an’i Andry Rajoelina ny filazan’ny Amnesty International fa nisy ny famonoan’olona tsy amin’antony tany atsimo, satria tahaka ny filazana amin’ny fomba an-kolaka fa mihosin-dra ny tanan’ny filohan’ny tetezamita, ary nandritra ny fitondrany no nitrangana vono moka na «génocide» teto Madagasikara.

 Variana amin’ny adihevitra tsy izy ny fahitana ny ankolafin’olona sasany, satria efa nivoaka iny tatitra iny ary efa niparitaka manerantany, ka tsy hampiova zavatra intsony izay fiarovana na fanadiovan-tena atao rehetra eo. Manampy trotraka izany ny tsy fisian’ny vahaolana matotra handaminana ny fiainan’ny mponina andavanandro sy ny fipoiran’ny krizy maro samihafa etsy sy eroa. Misy no milaza fa karazana fanerena ny filohan’ny tetezamita tsy ho kandida amin’ny fifidianana no ao ambadik’ireny, ao koa ny mihevitra fa efa nanomboka ny planina hanapotehana an’i Andry Rajoelina ara-politika. Be mpiresaka ihany koa ny hoe : lojikan’ny fivoahan’ilay hoe : «ni…ni» izao zava-mitranga rehetra izao, izany hoe avela hihitsoka any Afrika Atsimo i Marc Ravalomanana, ary atao izay fomba rehetra hampihemotra an’i Andry Rajoelina ka tsy handraisany anjara amin’ny fifidianana. Ny tanjona moa dia ny hoe samy tsy misy kandida izy mianaka.

Tsy fantatra moa izay tena fahamarinan’izany fa tombantomban’ny mpanara-baovao politika no entina eto, ary zavatra efa nitranga tany Afrika, tahaka ny tany Ginée. Izao ilay tantara raha fintinina : nanongam-panjakana ny tafika, ka ny kapiteny Moussa Dadis Camara no nijoro ho mpitondra teny, izy avy eo no lasa filohan’ny tetezamita. Nanome toky izy fa hikarakara fifidianana manaraka ny fenitra iraisam-pirenena faran’izay haingana dia hamerina ny fahefana any amin’ny sivily. Asa anefa na nahazo tsirony tampoka ity kapiteny ity fa nilaza ny mety ho kandida indray ny tenany, nony taty aoriana.

Teo no nanomboka amin’izay ny savorovoro. Nisy aloha ny fitifirana olona an-jatony tao anaty kianja nataon’ny miaramila, avy eo nisy nitifitra avy ao ivohony ny kapiteny Moussa Dadis Camara ka anisan’ireo mpiambina akaiky azy ihany no nanao izany. Tsy maty ny lehilahy fa notsaboina tany ivelany, ary tsy re feo intsony izy taorian’izay. Tsy Guinée akory i Madagasikara, saingy ny mampitovy ny firenena roa tonta dia samy miditra lalina amin’ny famahana ny krizy ny Frantsay, sy ny sehatra iraisam-pirenena. Inoana fa misy antony tena lehibe matoa tsy mbola sahy manambara ny maha kandida azy, na tsia i Andry Rajoelina, ary mety mbola misy zavatra andrasany na halaminy any ho any. Na izany aza anefa dia efa mba mangalatra “départ” ihany izy aloha, sao afaka hirotsaka ihany.

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libĂ©ration
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovĂ na ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT