Amin’ny 07 mey no ho tonga ny vaksiny andiany voalohany. Efa nisy karazana vaksiny tapaka niarahana tamin’ny Akademiam-pirenena momba ny fitsaboana,
dia ny covishield no hafaran’i Madagasikara sy ho tonga. Fomba roa dia ny initiative covax ny iray, ary ny faharoa dia iarahana amin’ny Vondrona Afrikanina izay any ho any amin’ny septambra no ho avy, raha ny fanazavan’ny Minisitry fahasalamana Pr Rakotovao Hanitrala Jean Louis omaly. Ireo Mpiasan’ny fahasalamana, marefo, zokiolona, mpitandro filaminana no hisitraka izany voalohany. Efa misy lamina mifandraika amin’izany, efa misy tobim-pahasalamana afaka mandray ny anaran’ireo atao vaksiny, efa manana ny azy ny tafika, ny diabetika eny amin’ny AMADIA,… Io vaksiny andiany voalohany io dia tehirizina amina maripana +2 hatramin’ny +8°C, ary efa vonona amin’izany ny Fanjakana, hoy ny fanazavana. Mikasika ny tsy fahafahan’ny sehatra tsy miankina manafatra sy mivarotra vaksiny kosa, dia nilaza ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina, fa mila mitandrina satria misy vaksiny hosoka, ka ny Minisiteran’ny fahasalamana ihany no mandrindra izany. “Vaccination ciblée” izany hoe ho ana olona sy sokajin’olona voafantina fa tsy “vaccination de masse” na faobe, izay nambaran’ny Filoha fa misy ny firenena nanao an’izany toa an’i Inde, saingy iaraha-mahita ny vokany. Afaka jerena manokana ho an’ireo manolo-tena hatao vaksiny na izany aza, ka ny Minisiteran’ny fahasalamana no miantsoroka izany. Mba hisorohana sy hiarovana ny vahoaka Malagasy, dia tsy misy olon-tsotra na orinasa afaka manafatra. Ireo masoivoho na orinasa maniry an’izany, dia amin’ny alalan’ny Minisitera ihany, raha ny fanazavan’ny Filoha.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.