Nirahaba an’i Joe Biden, ho Filoha Amerikanina vaovao ny Filoha Malagasy Andry Rajoelina. Miarahaba an-kafaliana ny Filoha lany Joe Biden amin’ny maha Filoha faha-46 ao Etazonia,
ary eo ihany koa i Kamala Harris izay nizotra nakany amin’ny fandresena sy lasa vehivavy voalohany hiantsoroka ny maha Filoha lehibe. Andro manan-tantara ho an’ny tantaran’ny Amerikanina. Miarahaba ihany koa ny vahoaka Amerikanina sy ho an’ireo andrim-panjakana manoloana ny fientanana ara-demokratika miavaka. Maneho ny fanokafana hatrany ny fiaraha-miasa miaraka amin’ny fitantanana vaovao any Etazonia hanamasina ny fiaraha-miombon’antoka sy hanamafisana ny rohim-pirahalahiana eo amin’ny firenentsika roa tonta, hoy i Andry Rajoelina.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.