Mazava ny zava-misy fa tsy mahatoky tena i Andry Rajoelina sy ny kandida depioten’ny IRD ka manomboka manararao-pahefana sy mitady ny hevitra rehetra hibatana ny fandresena.
Niverina tany Ambatondrazaka indray omaly ilay teny Besarety, mirotsaka an-tsehatra mikabary sy manao fampanantenana ao anatin’ny vanim-potoanan’ny propagandy ny filoham-pirenena izy tenany mihitsy. Asa hoe iza loatra no manolo-tsaina azy mahatonga an-dRajoelina mijabaka amin’ity propagandy ity. Mahita an'io ny mpiara-miombon'antoka dia efa mailo. Sombitsombiny ny ho avy fa tsy hisy vola be ana miliara dolara ho azo hanaovana ny IEM izany eto. Ny fitomboan'ny harinkarena 5,2% no tanjona raha 5,1% izany ankehitriny. Ny fisondrotan'ny vidim-piainana ezahana tsy hihoatra ny 6,7%, raha ny voafaritry ny lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana. Tarehimarika tamin’ny fitondran-dRajaonarimampianina ihany ireo no namboamboarina fa tsy misy zava-baovao be. Aiza ilay hoe haingam-pandeha be ny TGV? Fampiesonana sy kisehoseho no betsaka, ary ny tetikasa hireharehana, toy io resaka fanajariana an’Antananarivo io, dia fitohizan’ny fitantanan-dRaharaham-panjakana teo aloha amin’ny ankapobeny. Ny serasera no atao mipoapoaka. Raha tsy mahazo ny maro an'isa azo antoka tsara eny Tsimbazaza eo ny IRD dia ho sahirana Rajoelina hanatanteraka ny programan’asany, ary izay tsy fitoniana ara-politika sy ara-pitantanana izay dia misy akony ratsy amin’ny fiaraha-miasa amin'ireo mpiara miombon’antoka. Efa namotika firenena tamin'ny fanonganam-panjakana narahan'ilay lalampanorenana nolaniana tamin’ny karinem-pokontany Rajoelina sy ny ekipany. 10 taona aty aoriana tonga eo amin'ny fitondrana izy ireo, ka 4 volana nitondrana monja dia efa izao ny fahasamponana misy izao sahady : fanaparam-pahefana, fandikan-dalàna,… Andry Rajoelina tamin’ny 2009 ihany no mbola Andry Rajoelina ankehitriny. Toa efa zatra bodongerona nosantarina tamin’ny fanonganam-panjankana 2009, ary toa miverina sy porofoin’ny zava-misy ilay hoe “sans qualité” nambaran’ny mpitondra Afrikanina 10 taona lasa izay. Toa mbola mitombina ilay tsy matotra tsara Rajoelina, tsy mahazaka mitantana firenena. Olon’ny herisetra sy ny tsy fanarahan-dalàna satria tsy mbola filoha akory dia efa nanafatra fitaovam-piadiana sy fiara tsy laitram-bala an-tsokosoko teto Madagasikara.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.