Politique

Andry Rajoelina Nandany fotoana nanenjika an-dRavalomanana


  • Talata 02 Jona 2020

Fotoana nilatsahan’ny fanahy masina ny andron’ny pantekoty, saingy hafa mihitsy ny fihetsika sy firesaka nasehon’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina.

 

 

 

Nibahan-toerana ny fanenjehana ny mpitondra teo aloha sy ny fanehoan’ny Filoha Rajoelina fa ny ataony no tena mety. Isan’ny navoitra ny famindrana ny taolam-balon’ireo mpanjaka, izay tamin’ny fitondrana Ravalomanana moa no nisian’izay na tsy novantaninay aza. Namatrapatratra mafy i Andry Rajoelina tamin’ny hoe ny famindrana ny taolam-balon’ireo mpanjaka no tena fanontana fady fa tsy ny fanamboarana ny “colisée”. Nisy fanitsakitsahana avo zato avo arivo ny famindrana ny taolam-balon’ireo mpanjaka izay manana ny hasiny tao amin’io Rovan’Antananarivo io, hoy izy. Izaho manokana tsy sahy mandrakizay ny handeha hamindra ny mpanjaka nitondra ny firenena any amina toerana hafa. Andrianampoinimerina nafindra eny Ambohimanga, Rasoherina, Radama II,… tamin’ny andro alina, hoy i Andry Rajoelina. Asa na hisy fanazavana bebe kokoa avy amin’ny ankilany na koa avy amin'ireo mpahay tantara, fa raha ny tantara no zohiana, dia avy teny Ambohimanga no namindrana ny taolam-balon’ireo mpanjaka nataon’I Jeneraly Galliéni, izay endrika fanontana fady, ary naverina teny Ambohimanga rehefa nisy ny fanamboarana ny Rova. Ny Mpanjaka Andrianampoinimerina, dia voalaza fa nangataka ny hafenina teny Ambohimanga rahatrizay miamboho. Tsy fanao ary tsy mbola nisy famadihana mpanjaka izany teto Madagasikara, ary rehefa miamboho dia hafenina amin’ny maty masoandro, fa tsy atoandro be nanahary, saingy nokianin’ny Filoha Rajoelina mafy ilay hoe nentina andro alina. Inona moa izany no tsy hamerenana ireo taolam-balo eny Anatirova raha hita fa tsy nety ny namerenana azy eny amin'ny toerany eny Ambohimanga? Isan’ny nanaitra ihany koa ny fihetsiky ny Filoha nandrovitra boky mirakitra ny tahirin-tsorata nataon'ny fitondrana teo aloha hakana ireo sombin-tsary sy sary. Filoha anefa izy, saingy naharihariny ny fanivahivana ny tantara nataon’ny hafa satria tsy misy ny dian-tànany, tsy mifanaraka amin’ny heviny,… Ny azo hamintinana azy, dia tsy vonon-kihavana mandrakizay amin-dRavalomananana i Andry Rajoelina, ary asehony amin’ny fihetsiny sy ny firesany izany.

Toky R

  

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT