Politique

Andry Rajoelina Nanadino tanteraka ny vahoaka


  • Talata 02 Jona 2020

Ny 17 mey tamin’ny kabarin’ny Filoham-pirenena no efa tsy nisy resaka na fehezanteny iray monja aza ny vahaolana ara-tsosialy eo anatrehan’ny fahasahiranam-bahoaka eo anatrehan’ny hamehana. Tsy mbola nahitana resaka io ny alahady teo.

 

 

 

Tena adinon’ny Filoham-pirenena Malagasy tanteraka ny fahasahiranan’ny vahoakany, raha toa ka nandany ora maromaro mihitsy izy tamin’ny fiarovana ny tetikasany, dia ilay Kianja Masoandro andaniam-bola tsy toko tsy forohana satria amina miliara na an-tapitrisa dolara ny sandan’io. Ny karazana lolom-po politika aza no nisongadina. Toa adinon’ny Filoham-pirenena fa efa ho 3 volana izao no niaina tao anaty jaly, sahirana, tsy afa-namokatra, tsy afaka nitatitra ny vokatra avy any ambanivohitra,… ny vahoaka madinika. Nanamaivana ny resaka fampianarana, mpampianatra, mpianatra, ka tsy mba nankahery akory. Ny datim-panadin¬ana tsy misy resaka. Efa savorovoro ara-tsaina be anefa eraky ny sekoly . Samy manao izay saim-pantany. Ny sehatra tsy miankina moa dia hoe vao hifampidinika. Roa volana aty aoriana kosa ve vao hiresaka matotra? Mpiasa efa firy izay no nesorina sy tapaka karama na ampahany no raisina. Ny fandriampahalemana izany moa dia adino tanteraka. Tena tsapan'ny fanjakana ve fa ampy ilay tohana ara-tsosialy 100 000 Ar ho ana ampahana Malagasy fa ny besinimaro heverina fa voky rivotra sy masoandro?

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT