Politique

Andry Rajoelina Nampidi-kizo an’i Madagasikara


  • Sabotsy 17 Novambra 2012

Matoa miditra amin’ny fitondrana dia misy lalŕna mazava dia ny sori-dalana izay nosoniavin’ireo mpanao politika rehetra ahitana andininy 45, hoy i Leriva Manahirana nanoloana ireo mpandala ny ara-dalana tetsy amin’ny kianjan’ny Magro Behoririka omaly.

 Ny fivorian’ireo filoham-panjakana eo anivon’ny SADC tany Sandton no nanapaka io, indrindra fa ny andininy faha-20 mamaritra mazava ny fodian’ireo sesitany politika tsy misy fepetra ka anisan’izany ny filoha Ravalomanana, hoy izy ary dia hotazoninay hatramin’ny farany izany. “Tsy hisy fifidianana vanona izany eto rehefa tsy tonga eto ny filoha Ravalomanana”, hoy ihany i Leriva Manahirana izay nanamarika fa miandry izay ny fanapahan-kevitry ny Troika aorian’ny tatitra ataon’ireo iraka manokana teto. Tetsy andanin’izany dia nanao karazana tsiahy Ralaiseheno Guy Maxime momba ny tombontsoa tokony ho azon’ny firenena raha tsy nisy fanonganam-panjakana. Nambarany fa raha tanteraka teto amintsika ny fihaonamben’ny Vondrona Afrikanina dia nahazo sata manokana i Madagasikara eo amin’ity vondrona ity satria dia lasa filohan’ny Vondrona Afrikanina i Marc Ravalomanana.

Vokany, ankoatra ny vola vahiny tokony ho niditra tamintsika sy ny fahatomombanan-toerana dia nahazo famatsiam-bola hatrany amin’ny arivo tapitrisa dolara tany ho any isika, ary raha tontosa teto amintsika ihany koa ny fihaonan’ireo tany mampiasa manontoloa na amin’ny ampahany ny teny frantsay na ny OIF dia mbola lasa filohan’izany vondrona izany ihany koa isika. Fahavoazana tsy hita noanoa araka izany no nentin-dRajoelina ary vao mainka nampidi-kizo an’ity firenena ity, hoy Ralaiseheno Guy Maxime izay nanentana ireo mpiara-dia aminy hijoro hatrany ho amin’ny fahamarinana satria izay no ho fahombiazana. Ankoatra izay dia fantatra fa tafajoro eo anivon’ny CST ny vaomiera manokan’ireo parlemantera hanao fanadihadiana momba ny raharaha Secren sy Sirama any Nosy-Be ary hajoro amin’io herinandro io kosa ny vaomiera hanao fanadihadiana manokana momba ny andramena, ny raharaha dahalo any Atsimo ary ny momba ny raharaha Nadine Ramarosaona.

Soa 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libĂ©ration
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovĂ na ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT