Politique

Andry Rajoelina Moa tena mahafehy ny PM sy ireo minisitra ve ?


  • Alarobia 12 Janoary 2022

Samy manao izay saim-pantany ny minisitra sasany ao anatin’ny governemanta tarihin’ny Praiminisitra Ntsay Christian.

 Misy ny mety tsy voafehy, hany ka ireny vaky am-batolampy miteraka resabe ny minisitra sasany. Ao ny miady an-trano, ary hita be hoe tsy masaka tsara ny fiaraha-mientana na “ésprit d'équipe”. Inona moa no tsy nanovana ny governemanta tampoka teo kanefa tamin’ny volana desambra aza efa nisy minisitra tena nilaza fa tsy maintsy hisy fanovana amin’io tapaky ny volana janoary ? Inona no ts hanendrena minisitry ny harena an-kibon’ny tany? Marina fa nilaza ny Filoha hoe: tsy vahaolana ny manova minisitra foana fa lany andro mametraka rafitra, saingy mahavaha olana ve ilay governemanta? Misy tokoa ny minisitra mety tena miasa, fa ao ny toa haingon-tsehatra fotsiny. Misy ny tsy azo kitihina amin’ny toerany satria mialokaloka ao amin’ny hoe: nitolona sy nametraka ny Filoham-pirenena teo, ka na tsy mamokatra aza eo ihany. Amin’ny fotoana tena liana azy aza indraindray no toa tena tsy ahitana azy. Ao indray ny minisitra voalaza fa manaratsy endrika ny Filoha sy ny Fanjakana manontolo, ary mety hampiakatra kely ny taham-panohanana na “côte de popularité” an’i Andry Rajoelina ny fanesorana azy. Nisy aza ny mpandinika politika iray nilaza fa io no hanimba tanteraka an-dRajoelina, ary raha mbola eo ilay minisitra vehivavy notononiny dia hiafara amin’ny 8% ihany koa i Andry Rajoelina amin’ny 2023. Misy lehiben’antoko maromaro ao anatin’ny Fitondrana, misy ny tena manohana an-dRajoelina amin-kitsim-po sy miezaka manatsara ny sarin’ny Minisiterany sy ny Fanjakana, fa misy ihany koa no toa mody namana sy manao takalon’aina ny toerany, na misy aza ny mety ho fahadisoana ataony, na miteraka resabe manala baraka ny Fanjakana aza izy, dia tsy azo hontsonina amin’ny toerany sao hanontsana an’ilay Fanjakana. Misy indray minisitra mifanangam-pahavalo amin’ny olom-boafidy, toy ny zava-miseho amin’ny minisitra iray sy ireo depiote miisa efatra voafidy tany amin’ny faritra Sofia. Inona intsony ny ho politika sy fampandrosoana vanona amin’izany ? Amin’ny ankampobeny, toa mandeha jojorombona sisa ilay Fanjakana, tsy tena marin-toerana ny governemanta, ny politikam-panjakana efa herintaona izay tsy hita hoe : manao ahoana fa dia miankina amin’ny zava-misy eny an-dalana eny. Aorian’ny 19 janoary 2021 no nambara fa hampahafantarana ofisialy ny PEM (Plan pour l’Emergence de Madagascar) saingy efa miherina indray ity ny taona tsy hita ihany.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT