Politique

Andry Rajoelina Misy manipy hoditr’akondro


  • Alarobia 17 Aprily 2019

Tena nanome sary ratsy ary nanimba an’i Hery Rajaonarimampianina ireo olona nanodidina azy (namana, mpanolontsaina, minisitra, depiote, mpiasam-panjakana ambony,…). Telo volana nitantanana ny firenena ny filoha ankehitriny Andry Rajoelina, fa toa efa tratran’io toe-javatra io sahady. Misy ireo akaiky azy tsikaritra fa efa manao fanararaotam-pahefana ary tena manambany olona, fa izy ireo izao no eo amin’ny fahefana. Vao nitondra herinandro vitsy dia toa efa nisy nisoloky hoe iraky ny filoha hanao hanao ny IEM.

 

Efa resabe etsy sy eroa ny hoe misy fahefana be mivangongo eo am-pelantanan’olom-bitsy, ka ireo no te hampiseho fa mifehy ny firenena sy tompon’ny fanalahidy. Izay rehetra mifanitsaka bizina aminy, dia mifafa ny kihony sy ezahina potehina amin’ny lafiny rehetra. Misy minisitra anefa tsy re na tsy havela miteny mihitsy, fa ireo  be resaka ihany no miseho amin’ny vaovao. Re anefa fa misy amin’ireo olona akaiky an-dRajoelina ireo efa manana kajy politika ho ben’ny tanàna na ho kandida ho Filoham-pirenena aza amin’ny 2023. Efa niseho rahateo ny tahaka izany tamin’ny taona 2013. Izany ve no paikady? Atao izay haharatsy endrika an-dRajoelina ato anatin’ny 5 taona dia mipoitra tampoka avy any indray ny atao hoe: olom-baovao ambara fa hitondra ny fiovana tena izy? Tahaka ny fanoratra mpianatra any amin’ny Lisea ny fanoratra ny tatitry ny filan-kevitry ny minisitra, izay ahitana zavatra diso foana, arahina fanintsiana rehefa mandeha ny fanamarihana samihafa. Tena ireny ve no araka ny tokony ho izy sa iniana atao mba hanaratsy endrika ny fitondrana? Olona efa notendrena ho mpiasam-panjakana ambony izao no mivadika tampoka ho tsy voatendry. Olona nesorina tamin’ny toerany kanefa avy eo tsy esorina indray,… Ny fanjakana manontolo no voasokajy ho tsy matihanina sy “sans qualité” araka ny nambaran’ny Afrikanina eo anatrehan’ireny, saingy vitavita ho azy. Olona efa mitana andraikitra ambony amin’ny raharaham-panjakana eto amintsika no mbola manao asa hafa amin’ny sehatra tsy miankina. Tsy misy fanajana etika mihitsy ve fa miandry tenenina sy kihanina vao mahatsapa tena? Olana goavana amin’io ny mety ho fivoahana tsiambaratelo amin’ny fanapahan-kevitra raisina satria mifankahalala an’izay tsiambaratelo izay ka mifampiandry an-ketritohana. Misy ny mihevitra fa miaro ny filoha ireo mpanara-dia azy ambaran’ny tanora ho mitatasika anaty tambajotra fesiboky kanefa vao maika manaratsy endrika azy, ka na misy asa tsara vita tsy ahoan’ny olona intsony fa dia hoe: kian-trano an-trano ny ao ary fikarohana tombotsoa manokana fotsiny ka ahilika izay tsy MAPAR na tsy IRD. Ezahina hatsaraina ny zavatra mety tsy mety satria te haka doka, saingy fahapotehana ho an’ny fanjakana sy fahadisoan’ny fanapahan-kevitra raisina no mety haterany. Toa efa naman’ny manangam-pahavalo ny filoha, ary fitanilana sy fanavahan-tena ho tsy filohan’ny Malagasy rehetra fa filohana antoko sy vovonana politika ny fihetsiny.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

  • TETIKASA
  • Talata 20 Oktobra 2026

"ÉLECTIONS-MAHASAKY"

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

Hijery ny tohiny
FTT